Dans la męme rubrique

Fahavitan-tena ara-tsakafo Tsara avadika ho asa fa tsy atao kabary fotsiny

14/02/2020

Afaka tonga eto Madagasikara ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka fa mila omena sehatra aloha ny Malagasy tompon’ny tany izay tantsaha ny 85%.

Fahavitan-tena ara-tsakafo Tsara avadika ho asa fa tsy atao kabary fotsiny

Hamaky ny tohiny...

Fiparitahan’ ny rongony Mila hentitra ny fitondrana

11/02/2020

Betsaka ny olom-pirenena no manao antso avo fa lasa misy fiantraikany amin’ ny fiainam-piaraha-monina ny rongony. Raha tsiahivina, telo lahy no saron’ ny polisim-pirenena nitaona rongony telo gony tetsy Ankorondrano ny zoma alina lasa teo.

Fiparitahan’ ny rongony Mila hentitra ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

Valan’aretina Coronavirus Hampirodana tanteraka ny toekarena Sinoa

10/02/2020

Efa 811 no matin’ny Coronavirus any Chine, araka ny tarehimarika nivoaka omaly alahady raha toa ka 37 198 kosa ireo marary.

Valan’aretina Coronavirus Hampirodana tanteraka ny toekarena Sinoa

Hamaky ny tohiny...

Madagascar Poncroise Challenge Miditra amin’ny andiany fahatelo

10/02/2020

Mikarakara ny andiany fahatelo ny katrok’ady FIHEZAMA sy ny Madagascar Poncroise Challenge (MPC).

Madagascar Poncroise Challenge Miditra amin’ny andiany fahatelo

Hamaky ny tohiny...

Fahazoan-dalana hamily fiara Malagasy Nolavin’ny Frantsay

06/02/2020

Noho ny fifanarahan’ny eoropeanina momba ny fepetra fanomezana fahazoan-dalana mitondra fiarakodia dia nanapa-kevitra ny hanavao ny drafitra momba ny fanakalozana fahazoan-dalana mitondra fiarakodia i Frantsa .

Fahazoan-dalana hamily fiara Malagasy Nolavin’ny Frantsay

Hamaky ny tohiny...

Takaitra navelan’ny andro ratsy Nankahery an’i Madagasikara ny Praiminisitra Indiana

06/02/2020

Manoloana ny fahavoazana nahazo an’i Madagasikara tamin’ireny fisiana andro ratsy izay namoizana ain’olona sy naha traboina ny faritra maro ireny,

Takaitra navelan’ny andro ratsy Nankahery an’i Madagasikara ny Praiminisitra Indiana

Hamaky ny tohiny...

Fianakaviana 400 isa traboina tao Ambatondrazaka Notoloran’Ambatovy fanampiana mitentina 20 tapitrisa ariary

06/02/2020

Manoloana ny famaritan’ny avy eo anivon’ny biraom-pirenena misahana ny loza sy tandindon-doza na BNGRC ny voina nitranga taorian’ny fandalovan’ny andro ratsy tao

Fianakaviana 400 isa traboina tao Ambatondrazaka Notoloran’Ambatovy fanampiana mitentina 20 tapitrisa ariary

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Faritra Malalaka Ifanakalozana Mila miomana tsara i Madagasikara

15/07/2019

Amin’ny 1 jolay 2020 no hampiharina ny Faritra Malalaka Ifanakalozana (Zone de libre échange continentale) na ZLEC.

 

 

 

Mila hiomanana tsara izany indridra eo amin’ny sehatry ny Indostria mba tsy ireo matanjaka hatrany no hahazo ny tombony ara-toekarena. Tsiahivina fa  ny nitsirian’ny hevitra namoronana ny ZLEC dia ny fahitana fa sarotra  ny manao  fanambarana ara-kaba na ara-ketra « déclaration en douane »  satria sady mandany vola no mandany fotoana. Ny tanjona amin’io dia ny mba hanafoanana ny sakantsakan’ny haban-tseranana « frontière douanière » ka hampitomboana 15 hatramin’ny 25% ny fifanakalozana ara- barotra anatiny ao anatin’ny kaontinanta afrikanina ao anatin’ny 10 taona. Firenena Afrikana miisa 32 no efa nanao sonia ny fifanarahana hatreto ary anisan’ny nankato ny votoatin-kevitra I Madagasikara. Mampanahy hatrany satria  ny firenena efa misokatra tsara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo matanjaka no hahazo tombony kokoa kanefa tokony samy hahazo tombotsoa ny mpikambana rehetra. Nanambara ireo mpandinika ara-toekarena fa raha mazava tsara ny lalan’ny entana ifanakalozana (origine de produit) ary samy miezaka ny firenena tsirairay amin’ny fanamboarana ny haba-tseranana (barrière non tarifaire) dia tombony ho an’ny rehetra ny ZLEC. Izay izany aloha no tokony hiadivana mafy mba tsy hanjakan’ ny firenena manankarena indray io ZLEC io.  Mila mivonona tanteraka i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina sy ny Indostria Malagasy mba tsy ho matiantoka lava eo amin’ny lanja ara-barotra nohon’ny famokarana sy fanondranana ambany dia ambany eto amin’ny firenena.

 

Tsirinasolo

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana