Dans la mme rubrique

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Paikady Enti-manandratra an'i Madagasikara Hanome 240 tapitrisa euros ny Frantsay

21/02/2020

Nambaran’Atoa Jean-Yves Le Drian, minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay omaly nanoloana ny mpanao gazety fa mitohy ny fifampidinihana ny amin’ny famerenana ny « Iles Eparses » ho an’ny Malagasy.

Paikady Enti-manandratra an'i Madagasikara Hanome 240 tapitrisa euros ny Frantsay

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena olona ambony Nisavoritaka indray ny fanjakana

21/02/2020

Navoakan’ny fampahalalam-baovao iray omaly fa voatendry ho Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo Atoa Andriatongarivo Nasolo Tojonirina,

Fanendrena olona ambony Nisavoritaka indray ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza “Mivangongo loatra amin’ny fanjakana foibe ny fahefana”

21/02/2020

Ny atao hoe fitsinjaram-pahefana mahefa dia fahefana ara-politika, ara-pitantanana ary ara-bola.

Imbiki Herilaza “Mivangongo loatra amin’ny fanjakana foibe ny fahefana”

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Misy depiote manambaka ireo «Assistant parlementaire »

21/02/2020

Misy andiana « Assistant parlementaire », mpiara-miasa akaiky amina solombavambahoaka, mitaraina fa 100 000 Ar no mba tambin-karama omen’ny depiote azy ireo, raha tokony 460 000 Ariary izany.

Antenimieram-pirenena Misy depiote manambaka ireo «Assistant parlementaire »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Veronique Vouland Aneini “Mitranga matetika ny valifaty politika eto”

15/07/2019

Nanamarika ny tsingerin-taona nahazoany ny Fahaleovantena ny Frantsay, omaly alahady 14 jolay lasa teo sy niantso ny rehetra ny masoivohon` I Frantsa eto amintsika. “Manao antso avo amin`ny fanjakana mba hampihena ny kolikoly,

 

 

 

mba hanantanteraka ny tena anjara andraikiny ny fitsarana ka hanatsahatra ny famotehana tsy ara-drariny ny zon` ny hafa, ny fangalana tsy ara-drariny ny fananan` ny hafa, ny fandrarana ny fivoahana any ivelany tsy misy fototra ara-dalàna, ny fanakonana valy faty, izay hita matetika.” hoy Veronique Vouland Aneini, masoivohon` i Madagasikara. Raha tsy tanteraka izany dia  tsy ho sahy hanamaivana ny loza mety hiatra ireo mpampiasa vola tsy miankina izay tian` ny Filohan` ny Repoblika sintonina ho avy eto Madagasikara ireo. Izany no nahatonga ny AFD (Agence Francaise de Développement) nanangana miaraka amin` ny miniteran` ny Fitsarana fandaharan` asa goavana hampitaovana ny tribonaly fampiofanana ny mpitsara sy fampandry fahalemana ny fonja, hoy izy. Tsy hihena ireo fomba fanao ratsy raha tsy misy fanoloran-tena ara-politika mafonja. Miantso ny Fitondram-panjakana hatrany ny tenany mba hanamafy ny demokrasia izay mbola marefo, hanamora ny fisian` ny fanoherana mavitrika sy mandaitra, hifototra amin`ny rijan-tenin` ny lalàmpanorenana, ny manao andrimaso mba ho voafehy ny birioka ary ny fanararaotana ny fahefana izay mifanohitra amin` ny tany tan-dalàna. Nampiasa saina ny vondron` ny iraisam-pirenena manontolo ny fahalemen` ny demokrasia Malagasy ary tamin` ny taon-dasa dia tena tao anatin` ny fisalasalana hoy Veronique Vouland Aneini, masoivohon` i Madagasikara. Nambarany fa hikarakara ny Fihaonamben` I Parisy ny 11 sy 13 novambra ho izao ka ho isan` ny lohahevitra lehibe amin` ny fandinihana iraisam-pirenena ny fanamby momba ny fitananana. Nateriny fa manoloana ireo foto-pikasa goavana, an-drariny ho an` ny firenena, ny zava-tsarotra farany ary angamba lehibe indrindra dia miatrika ny zava-misy eto amin` ny firenena amin` izany lalana sarotra izany ny Frantsay ary vonona hanohana an` I Madagasikara.

Fatoram-pitosikana

Hihamafy ny fatoram-pitokisana misy eo amin`ny firenena roa tonta izay hiorina amin` ny fototra mazava sy mivaingana. Taorian` ny fihaonana nisy teo amin`ny Filoha Rajoelina sy ny Filoha Macron, filoham-pirenena frantsay, dia niara-nikaroka ny roa tonta mba ahafahan` ny fiaraha-miasa frantsay mamaly araka izay tratra ny zavatra andrasana ka teboka telo no nivoitra tamin` izany. Ao anatin` ireo mampifandray ireo, mikasika ny fiarovana ny fangatahana voalohany. I Lafrantsa, amin` ny alalan` ny fiarahamiasany eo amin` ny lafin` ny filaminana sy ny fiarovana dia hanohana ny tafika an` habakabaka sy ny fampiofanana ara-miaramila. Eo ihany koa ny ady amin`ny fijirihana sy ny fiarovna.  Manaraka izany, ho jerena ihany koa ny fahantrana eo anivon` ny vahoaka marefo indrindra sy ny tanora. Hanohana indrindra ny Ministeran` ny fanabeazana fototra ny frantsay mba hahazo fanabeazana misy kalitao, hanatsara ny fanabeazana ho hifanaraka amin` ny tsenan` asa izay tokony handray tanora 500 000 tanora vaovao isan-taona. Farany, ny mahakasika ny fampandrosoana ara-toekarena. Ho tokanana amin` ny volana ho avy ny seranam-piaramanidina vaovao eto Antananarivo, ny fanamboarana ny rocade vaovao novatsian` ny AFD sy ny BEI. Tokony hanomboka amin`ny taona manaraka ihany koa ny asa fanamboarana toho-drano momba ny herinara-drian-drano goavana. Antoka ho amin` ny fifandraisana tsara kokoa sy fahazoana angovo sesehena amin` ny vindiny mora, tena ilaina amin` ny fampandrosoana. Hisy ministra Malagasy hankany Frantsa ato ho ato fa hisy ihany koa ministra Frantsay ho avy amin` ny volana ambony ary iraka parlemantera. Izany rehetra izany dia mampiseho fa mahaliana ny fizarana hery vaovao eto Madagasikara, hoy hatrany I Veronique Vouland Aneini, masoivohon` I Madagasikara.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana