Dans la mme rubrique

Belo Tsiribihina Voarohirohy ho namono olona indray ny miaramila

19/07/2019

Araka ny loharanom-baovaon’ny fianakavian’ny lasibatra, izay naparitany tamin’ny tambajotran-tserasera, heveriny fa noho ny tondro molotra dia natolotra ny miaramila ny momba an’i Raly Tovony.

Belo Tsiribihina Voarohirohy ho namono olona indray ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Sinto-mahery sy halatra moto Babo ireo mpanendaka amin’ny alina eny Tanjombato

19/07/2019

Voasambotry ny polisin’i Tanjombato ny 16 sy 19 jolay teo noho ny resaka fanendahana amin’ny alina eny amin’iny faritra iny ireo jiolahy efatra.

Sinto-mahery sy halatra moto Babo ireo mpanendaka amin’ny alina eny Tanjombato

Hamaky ny tohiny...

FISAVAN’NY ZANDARIN’ANKADINONDRY Gadra 2 nikasa hanafika fanineniny tamin’ny basy tra-tehaka

19/07/2019

Gadra nitsoaka ny taona 2016 sy tovolahy iray mbola manefa sazy ao Tsiroanomandidy saingy nahazo fahefana miasa aty ivelany no tra-tehaka niaraka tamin’ny basy hanatanteraka fanineniny ny asa ratsin’izy ireo.

FISAVAN’NY ZANDARIN’ANKADINONDRY Gadra 2 nikasa hanafika fanineniny tamin’ny basy tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...

Ambatoboeny Nahazo efitrano sekoly sy paositry ny polisy

19/07/2019

Ny talata lasa teo no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ireo fotodrafitrasa nangatahin’ny mponina tao amin’ny distrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny.

Ambatoboeny Nahazo efitrano sekoly sy paositry ny polisy

Hamaky ny tohiny...

Zandarimariam-pirenena Handray mpianatra ho zandary 1200

19/07/2019

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny Lapan’i Iavoloha ny alarobia 17 jolay lasa teo ny famoahana didim-panjakana momba ny fandraisana mpianatra ho zandary miisa 1200 ho an’ny taona 2019-2020.

Zandarimariam-pirenena Handray mpianatra ho zandary 1200

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny “Mandela Day” Ankizy sahirana sy voafonja 600 nomena fanampiana

19/07/2019

Nankalazaina omaly alakamisy 18 jolay ny « Mandela Day », ahatsiarovana ny daty nahaterahan’i Nelson Mandela niady

Fankalazana ny “Mandela Day” Ankizy sahirana sy voafonja 600 nomena fanampiana

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana , Kidnapping, fandrobana volabe Jiolahy iray voapaingotra teny Tsimbazaza

18/07/2019

Dahalo raindahiny efa kalaza tamina fandrobana lelavola mitentina 30.000.000 ariary sy fanaovana takalon’aina tany Maevatanana ary mpanakan-dalana nampitondra faisana ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha-7 mihazo ny faritra atsimon’i Madagasikara no tra-tehaky ny polisy.

Fanafihana , Kidnapping, fandrobana volabe Jiolahy iray voapaingotra teny Tsimbazaza

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Trafikana zava-mahadomelina Rongony 16 kilao tratra tao Antsirabe

12/07/2019

Fiara roa nahitana lehilahy roa avy no voazon’ny polisy avy ao amin’ny « Commissariat Central Antsirabe » noho ny fitondrana rongony 16 kg hiakatra hamonjy an’Antananarivo.

 

 

Sakan-dalana nataon’ny polisy avy ao Antsirabe tamina taksibrosy mampitohy an’i Fianarantsoa amin’Antananarivo  no nahatrarana rongony milanja 9 kilao ary natao tao anaty gony miisa 2 sy iray harona plastika, ny talata 9 jolay lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora30 maraina. Tra-tehaka tamin’izany ny lehilahy 2 tompon’entana. Avy any Ihosy no nangalana ilay rongony ary nifindra fiara tao Fianarantsoa izy ireo ka saika hamidy eto an-drenivohitra. Ny ampitson’io, ny alarobia 10 jolay tokony ho tamin’ny 3 ora maraina dia taksibrosy mampitohy an’i Ihosy-Antananarivo indray no nosavaina tao Antsirabe ka nahatrarana rongony milanja 7 kilao.  Roalahy ihany koa ny tompon’ilay entana ary dia notanana avy hatrany. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahalalana fa avy any Ambovombe indray no nakan’izy ireo ilay rongony.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana