Dans la mme rubrique

Faritra misy hain-tany Tratra farany ara-toekarena

19/07/2019

Firenena 196 no handray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena faha-14 momba ny fahamainan’ny tany any New Delhi India.

Faritra misy hain-tany Tratra farany ara-toekarena

Hamaky ny tohiny...

Toekaren’i Madagasikara Tsy tafavoaka raha tsy miroborobo ny famokarana

19/07/2019

Hatreto aloha dia hita ho mpiantsena fotsiny ihany i Madagasikara fa tsy mpamokatra eo anivon’ireny tsena iraisam-pirenena ireny.

Toekaren’i Madagasikara Tsy tafavoaka raha tsy miroborobo ny famokarana

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana Ain’ny toekarena ny fitaterana

19/07/2019

Amin’ny 14 ka hatramin’ny 17 novambra ho avy izao no hanatanterahina ny fampiratiana voalohany mahakasika ny fitaterana sy ny manodidina izany etsy amin’ny Zone Forello Tanjombato.

Fampandrosoana Ain’ny toekarena ny fitaterana

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa fambolem-bary midadasika Raikitra ny fakan-kevitra any Mahajanga

19/07/2019

Manoloana ny tetikasa fambolem-bary midadasika hataon’ny orinasa “Long De” ao Analatelo, kaominina ambanivohitr’i Katsepy, distrikan’i Mahajanga, faritra Boeny,

Tetikasa fambolem-bary midadasika Raikitra ny fakan-kevitra any Mahajanga

Hamaky ny tohiny...

Vehivavy mpandraharaha Nofanina momba ny lalàna mifehy ny karama

12/07/2019

Nanatanteraka atrikasa lehibe teny Isoraka omaly ny fivondronan’ireo vehivavy mpandraharaha mpitantana orinasa na ny GFEM tarihin-dRazakaboana Fanja.

Vehivavy mpandraharaha Nofanina momba ny lalàna mifehy ny karama

Hamaky ny tohiny...

Harena azo amin`ny tsy ara-dalàna Mitaky fanaraha-maso maro

12/07/2019

Napetraky ny filoham-pirenena tamin’ny didy hitsivolana lah. 2019-015 farany teo ny lalàna mahakasika ny fanenjehana na ny famerenana ny harena sy ny tombontsoa azo avy amin’ny tsy ara-dalàna”, hoy Imbiky Herilaza, mpahay lalàna.

Harena azo amin`ny tsy ara-dalàna Mitaky fanaraha-maso maro

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina Tena ilaina ny voka-pikarohana

12/07/2019

Haharitra 2 andro ny famolavolana ny paikady hanangonana ireo voka-pikarohana mahakasika ny harena anaty rano.

Fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina Tena ilaina ny voka-pikarohana

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

« Compliance » na « Conformité » bancaire Manamora ny asan’ny Bianco sy ny Samifin

11/07/2019

Sarotra ny asan’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (BIANCO) sy ny Sampandraharaha mahakasika ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana (SAMIFIN).

 

 

Voafetra ihany mantsy ny ahafahan’ireo rafitra ireo mandray andraikitra noho ny lalàna mifehy azy ka hita ho maivana hatrany hatreto ny akony ara-toekarena. Manoloana izany anefa dia misy departemanta manampy sy manamora ny asa iandreketan’ny BIANCO sy ny SAMIFIN

Famaritana

Ny atao hoe “compliance” na “conformité” dia fitambaran’ireo asa ataon’ny orinasa iray mba ahafahany manaja ireo lalàna sy fitsipika mifehy azy sy ny fahavononany hanatanteraka izany mba hampaharitra ny fandraharahana ataony. Tany Etazonia no niatombohany tamin’ny taona 1977. Nisy ny lalàna napetraka tany an-toerana tamin’izany mba hisorohana sy hanasaziana ny fitondrantenan’ireo mpiasam-panjakana miasa any ivelan’ny firenena ka manao kolikoly. Raha ny tany Eoropa kosa dia vao haingana no natsangana io rafitra io ary ny eto amin’ny firenena afrikanina aza moa dia saika eo an-dalam-pametrahana avokoa ny rehetra. Amin’izao fotoana izao dia mirona tsikelikely amin’ny fametrahana io compliance io ny ankamaroan’ny orinasa ankehitriny na dia sarotra ihany aza ny fanatanterahana azy satria ilana tetibola eo amin’ny resaka serasera sy fampiofanana ho an’ireo mpiasa hisahana andraikitra.

Tanjona

Hanadiovana ny fizotry ny toekarena ka hahatonga azy hamokatra ho lavitry ny kolikoly no tena antony ametrahana ny « compliance ». Eo ihany koa ny fanehoana ampahibemaso ny finiavan’ireo mpandray anjara rehetra hiadiana amin’ny resaka kolikoly.

“Compliance” eny amin’ny sehatra ara-bola

Any amin’ny sehatra ara-bola no miroborobo fatratra ny compliance ka tsara raha any no hanaovana famakafakana. Tsiahivina fa departemanta iray misahana ny fampiharana ny lalàna rehetra mifehy ny sehatra ara-bola na ao anatin’ny orinasa (procédures internes) na  ny eto an-toerana na iraisam-pirenena ny “compliance” na “conformité”. Rehefa izay dia manana adidy hanao fanambarana izay zavatra hitany fa mampiahiahy izy any amin’ny sampandraharahan’ny fitondram-panjakana miandraikitra izany toy ny BIANCO sy ny SAMIFIN. Ny lalàna 2004-020 tamin’ny 19/08/2004 izao ohatra dia manery mihitsy ny orinasa ara-bola tahaka ny Banky sy ny fampindramam-bola madinika hanao fanambarana raha vantany vao miantomboka amin’ny 50 tapitrisa Ariary ny fifanakalozana ara-bola (opérations).

 

 

Ireo andraikitra iantsorohany

Solontenan’ny Banky mifandray mivantana amin’ny BIANCO sy ny SAMIFIN ny departemanta “compliance na conformité”. Ankoatra izay dia miantsoroka sy manome tanana amin’ny ady  amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bolan’ny asa fampihorohoroana izy.

Manamafy orina ny andraikitry ny  banky izy satria

-          Ahafahana mahafantatra tsara ny mpanjifa ka hiteraka fahamailona amin’ny tranga mampiahiahy (Obligation de vigilance et connaissance du client)

-          Manery ny tsy maintsy anaovana fanambarana amin’ny fifanakalozana (opération) raha toa ka mihoatra ny 50 tapitrisa Ariary (Obligation de déclaration)

-          Mitahiry ny dosien’ireo mpanjifa (Obligation de conservation)

-          Mampahafantatra sy manetsika ny mpisehatra hahafehy ny mahakasika ny « compliance » (Obligation de formation et de sensibilisation)

Ankoatr’ireo dia miady amin’ny Famotsiam-bola izay sokajiana ho heloka bevava ny « compliance » ary miezaka manakana ny fiaviana ara-bola tsy ara-dalàna. Eo ihany koa ny fandrarana ny hetsika ara-bola tahaka ny tranga tao Syria izay nanagiazana ny fananan'ny olona amin'ny lisitra fampihorohoroana.

Vokatry ny tsy fisian’ny departemanta « compliance »

-          Fatiantoka ara-bola: mety handoa lamandy raha tsy manaraka ny lalàna mipetraka. Tamin’ny taona 2016, ohatra, dia orinasa eoropeanina 17 no nandoa sazy hatramin’ny 200 tapitrisa dolara izay fanapahan-kevitry ny fitsarana amerikanina noho ny  tsy fanajana ny lalàna any an-toerana amin’ny resaka fitantanana orinasa.

-          Mety hiteraka fikatonan’ny orinasa mihitsy koa izany amin’ny vola be haloa noho ny sazy

-          Hiteraka laza ratsy amin’ny orinasa ihany koa izany, izay tranga tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) ka nitorian’ny mponina tany an-toerana ny orinasa FERRONIA izay  orinasa kanadianina mamboly palma ary manodina izay ho lasa menaka. Voalaza ho tsy manaja ny zon’olombelona ity orinasa ity sady tsy nahaloa ireo hofan-tany nifanarahana tamin’ireo mponina tany am-boalohany. Ny tsy fahamailona anefa no nahatonga izany ary araka ny voalaza dia tokony ho nanao ny atao hoe cartograhie an’ireo mpisehatra ireo teo amin’ilay tanàna ity orinasa ity nialoha ny nanombohan’ny asa mba tsy hitrangan’ilay olana.

Tena ilaina ny fametrahana io departemanta mifandray mivantana amin’ny BIANCO sy SAMIFIN io mba hanatsarana ny ezaka atao amin’ny ady amin’ny kolikoly hanatsarana ny toekarena amin’ny ankapobeny.

Nangonin’i Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana