Dans la mme rubrique

Tantely avy eto Madagasikara Anisan`ny tsara indrindra maneran-tany

18/07/2019

Tafakatra amin’ny dingana famaranana amin`ny « Start-up : Entrepreneur-ship World cup” ny orinasa Ikiray Miel de Madagascar, izay orinasa mpamokatra tantely avy eto amintsika.

Tantely avy eto Madagasikara Anisan`ny tsara indrindra maneran-tany

Hamaky ny tohiny...

Fanondranana lavanila taona 2019 Niakatra 15% ny tombombarotra

17/07/2019

Raha oharina ny taona 2018 dia niakatra 15% ny tombony azo tamin’ny fanondranana lavanila teto Madagasikara tamin’ity fiandohan’ny taona ity.

Fanondranana lavanila taona 2019 Niakatra 15% ny tombombarotra

Hamaky ny tohiny...

Sehatry ny fizahantany Mila miezaka mafy i Madagasikara

17/07/2019

Nahatratra 196.806 isa ireo mpizahatany nandalo teto Madagasikara hatreto ho an’ity taona 2019 ity raha toa ka 183.372 tamin’ny taon-dasa, izany hoe nitombo 13.434.

Sehatry ny fizahantany Mila miezaka mafy i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Taona 2019 Rongony 900 kilao hatreto no sarona

17/07/2019

Tamin'ity taona 2019 ity dia 900 kilao ireo rongony saron'ny mpitandro ny filaminana ka anisan’izany ny heroïne, ny cocaine ary ny cannabis izay matetika saron'ny mpitandro ny filaminana eny amin'ny fadin-tseranana.

Taona 2019 Rongony 900 kilao hatreto no sarona

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Af-Rice Nampiakatra ny voka-bary

16/07/2019

Ny faritra Alaotra Mangoro sy Itasy ary Vakinankaratra no nanatanterahana ny tetikasa andrana Af-Rice noho ny fihenan’ny voka-bary tany.

Tetikasa Af-Rice Nampiakatra ny voka-bary

Hamaky ny tohiny...

Fampananana asa ny tanora Maro ny ezaka mila iantsorohana

16/07/2019

Aty amin’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara dia ahitana tanora maro marefo amin’ny sehatra fampianarana sy ny fampananana asa.

Fampananana asa ny tanora Maro ny ezaka mila iantsorohana

Hamaky ny tohiny...

Fifandraisana ara-barotra maneran-tany Hita ho sahirana i Madagasikara

15/07/2019

Efa maro sahady ireo atrikasa natao sy fifanarahana nosoniavina tamin’ireo firenena matanjaka hatramin’ny niovan’ny fitondrana.

Fifandraisana ara-barotra maneran-tany Hita ho sahirana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Madagasikara Tokony hahavita tena ara-bary amin’ny 2020

10/07/2019

Nisy ny atrikasa fampahafantarana ny vokatry ny tetikasa Papriz 2 izay notohanan’ny governemanta japoney ho fampiroboroboana ny voka-bary eto Madagasikara.

 

 

 Natao teny amin’ny Hotely Panorama omaly talata 09 jolay izany ary nivoitra tao ireo paikady sy fomba hanapariahana ireo teknika rehetra hampiakarana ny voka-bary. Novelabelarina tao ny mahakasika ireo masomboly voafantina sy ny zezika mineraly izay tsy maintsy hampiasaina raha te hahazo vokatra tsara. Afaka mampitombo avo 2 na 3 heny ny voka-bary eto Madagasikara izany miaraka amin’ny fanofanana ireo teknisianina sy ireo tantsaha maro an’isa. Nanambara ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary jono, Lucien Ranarivelo fa efa mizotra mankany amin’ny fahavitan-tena ara-bary i Madagasikara ary tokony ho tratra ny tanjona amin’io taona ho avy io. Tsy maintsy hihena, hoy izy ny fanafarana vary satria hitobaka ny voka-bary amin’ireo karazana teknika hampiasaina ireo. Tsiahivina fa mahatratra 4 200 000 taonina teo ny vary fotsy lanin’ny Malagasy tamin’ny taon-dasa kanefa 3 900 000 taonina ny famokarana tratra. Raha izay dia mila miakatra eo amin’ny 5 na 6% eo fotsiny dia tratra ny tanjona. Mila ny ezaky ny mpisehatra tsirairay mihitsy anefa izany ho fampiakarana ny taham-bokatra eny an-tsaha, ny fanodinam-bokatra hatramin’ny fitotoana azy.

 

Tsirinasolo

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana