Dans la mme rubrique

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

23/07/2019

«Bevohoka ilay zazavavy 14 taona, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpanolana». Io no vaovao ofisialin’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fanolanana nitranga tao Manjakandriana.

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

23/07/2019

Fiara lehibe iray no nanitsaka zazavavy kely roa taona teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 11 + 800 ny 18 jolay sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana.

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

23/07/2019

Tanora kaomorianina mpandranto fianarana no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tamin’ny fikasana hanao trafikana zavamahadomelina vokatra eto Madagasikara hamatsiany ny olompirenena any amin’izy ireo.

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

23/07/2019

Mitohy ny fanatonan’ny tafika Malagasy ny mponina ho fampandriana ny fahalemana na an-dalam-piovana aza ny governemanta.

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

Hamaky ny tohiny...

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

22/07/2019

Voafonja sy mpandraharaha ny fonja iray avy naratra nandritra ny ora roa mahery, noho ny poa-basy sy tora-bato tao Ambalatavoahangy.

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

Hamaky ny tohiny...

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

22/07/2019

Manahy fandorana niniana natao tamin’ilay fahamaizan’ny tsena “Esplanade” ambany ao Bazary kely ireo mpivarotra ankehitriny.

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

22/07/2019

Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatolampy ny raharaha mahakasika ilay fiara tapaka hisatra nahafaty olona roa avy namonjy lanonam-panambadiana.

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Anosibe sy Andavamamba Tra-tehaka ny mpamaky trano sy fiangonana

09/07/2019

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy ny tovolahy iray vao 19 taona voarohirohy fa mpamaky trano sy tamin’ny famakiana fiangonana, ny talata 2 Jolay teo tokony ho tamin’ny 8ora maraina tamin’iny faritra Andavamamba iny.

 Olon-tsotra mipetraka eo akaikin’ny fiangonana no nahita tovolahy mpamaky fiangonana ny marainan’ny 1 jolay tokony ho tamin’ny 2ora maraina. Nampandre ny polisy ny nahita sy ny tompom-piangonana. Ny andron’io ihany dia mbola nahazo fitarainana ny Polisy fa mbola nisy vaky trano teny amin’ny faritra Anosibe Andrefana ka lasa tamin’izany ny Groupe Eléctrogène, boky fampianarana, solosaina ... Natao ny fikarohana ireo olona mpamaky trano ka rehefa nanao ny fisafoana sy ny fanagonam-baovao dia  tra-tehaka teny Andavamamba ny lehilahy iray izay anisan’ny tompon’antoka tamn’ny vaky trano niseho ny sabotsy 1 jona 2019. Mbola misy moa ny namany karohina niaraka aminy nanao ireo asa ratsy ireo.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana