Dans la mme rubrique

Fitadiavana asa Sakana ho an’ny tanora ny teny vahiny sy ny tsy fahasahiana

23/07/2019

Nisy ny fanomezana tolotr’asa ho an’ireo tanora manana diplaoma bakalorea no ho miakatra nokarakaraina fikambanana As’sidus tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly.

Fitadiavana asa Sakana ho an’ny tanora ny teny vahiny sy ny tsy fahasahiana

Hamaky ny tohiny...

Fitokanana ny lalana Profesora Zafy Albert Efa tomombana ny fikarakarana

23/07/2019

Taorian’ny faneken’ny filankevitra monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny hanomezana anarana ny lalana miainga eo Pulman Ivandry,

Fitokanana ny lalana Profesora Zafy Albert Efa tomombana ny fikarakarana

Hamaky ny tohiny...

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

22/07/2019

Atony maro no mahatonga ny olona saritra tenenina sy atoro ary mora tohina, hoy ny mpampianatra sady mpanabe iray.

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

Hamaky ny tohiny...

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

22/07/2019

Mampitaraina ireo tantsaha mpamboly lavanila any amin’ny Distrikan’Antalaha ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny kaominina sasany tahaka ny any Antananambo raha ny tatitry ny solombavambahoaka Nasira Julien izay voafidy tany an-toerana.

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

22/07/2019

Ambany ny tahan’ny fanafaran’entana sy ny fifanakalozana ara-barotra ataon’i Madagasikara any Indonezia amin’izao fotoana izao nefa maro be ireo sehatra azo trandrahana sy ahafahana mampiasa vola eo amin’ny sehatry ny varotra.

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

Hamaky ny tohiny...

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

22/07/2019

Araka ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro, dia hamirifiry ary hangatsiaka, hidina ambany dia ambany ny maripana amin’ireo faritra eto Madagasikara,

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Harena sy vola azo tamin’ny tsy ara-dalàna Neken’ny HCC ho manan-kery sy ampiharina

09/07/2019

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny didy hitsivolana lah. 2019-015 momba ny fanagiazana ny fananana sy ny vola azo amin’ny fomba tsy ara-dalàna na « recouvrement des avoirs illicites ».

 

 

 Io no didy hitsivolana farany navoakan’ny filoha tao anatin’ny fotoana nananany ny fahefana hamoaka lalàna, rehefa rava ny antenimieram-pirenena teo aloha. Ankoatra ny And. 31, mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ary azo havoaka hanankery ny andininy rehetra amin’ny didy hitsivolana. Voalazan’ny fanapahana lah. 14- HCC/D3 ny 5 jolay navoakan’ny (HCC). Voalazan’ny And. 31 amin’io didy hitsivolana io olana io fa mihatra avy hatrany io didy hitsivolana io raha ampidirina hanan-kery. Ambaran’ny And. 13 ao amin’ny lalàmpanorenana anefa fa tsy misy olona azo saziana raha tsy araka ny lalàna navoaka hanan-kery alohan’ny nanaovana ilay fihetsika mahavoasazy, izay ilay hoe «Non rétroactivités des lois ». Ny heloka aorian’ny fivoahan’ilay lalàna izany no tena henjehina. Ny fanjakana no manana ny fahefana hanenjika sy hamerina ny vola na harena vokatry ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny kolikoly, ny famotsiam-bola entina mampihorohoro,….. Azon’ny fanjakana atao avy hatrany ny mihazona ny fananan’ireo izay tratra. Ny fampanoavana no hanenjika ireo voarohirohy amin’ny alalan’ny “Chambre du gel, de la saisie et de la confiscation des avoirs » ho an’ireo ambaratongam-pitsarana mahefa, hamoaka ny didy fihazonana ireo fananana sy volan’ireo izay tratra. Tsy ho azon’iza na iza ampiasaina ireo fananana na vola voatazona. Raha misy kosa ny fahafahana madiodion’ireo izay voarohirohy amin’izany dia haverina aminy tanteraka ny fananany afa tsy ny fitaovam-piadiana sy zava-mahadomelina.

Toky R

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana