Dans la mme rubrique

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

24/03/2020

Fotoana izao hanehoana ny firaisankinam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika TAMAMI.

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Raharaham-pirenena Miharatsy ny fifandraisan-dRajoelina sy ny Polisy

09/07/2019

Tambin-karama tamin’ny fitandroana filaminana na « indemnité de sécurisation » tamin'ny 26 jona teo 10 000Ar isan’olona ho an’ny polisy miisa 500 no tsy nomena, raha ny vaovao azo.

 

 

Nampanaovina dika mitovin’ny kara-panondrom-pirenena avokoa ireo tokony hahazo azy io, kanefa nanjavona io volabe io fa tsy nozaraina. Maro ny zavatra mampametra-panontaniana ireo polisy toy ny hoe : fa maninona no kolonely miaramila sy jeneraly avy any amin’ny zandarimaria no atao mpikamban’ny kabinetra kanefa mba misy « contrôleur général » na « commissaire » maro eo anivon’ny Polisim-pirenena ? Tena maro ny mahatsapa fanosihosena sy fanaovana ankilabao ny polisy ataon’ny fanjakana Rajoelina. Raha resaka karama dia tamin’ny fitondrana Ravalomanana no nisy fisondrotan-karama nafonja farany. Ankehitriny, mitovitovy amin'ny karamana “lieutenant” ao amin'ny foloalindahy ny karamana “controleur general” an’ny polisim-pirenena. Mifanahantsahana amin’ny karamana “sergent” ny karamana “officier de police”. Nisy fotoana nesorina tamin’izy ireo ny fanamboarana pasipaoro, nofoanana ny PR (Police Routière) satria nolazaina fa mpanotra sy mpanao kolikoly ny polisy. Lasa samy nanao izay tiany teto ary tsy fantatra intsony na efa nisy nampiditra fitaovam-piadiana teto na ahoana satria ny Polisim-pirenena no tena afaka manara-maso sy misava ireny na koa manao « intervention ». Tsy mba nisaorana ny polisy nandritra ilay tatitra 100 andro, fa ny miaramila sy ny zandarimaria ihany no toa fantatry ny filoha. Nandeha ny fampitaovana ho an’ny mpitandro filaminana. An-jatony ireo fiara notsinjaraina, fa ny 24 tamin’ireo ihany no nomena azy ireo ary mandeha lasantsy fa tsy tahaka ny an’ny miaramila sy ny zandary. Mandany be ihany koa satria raha feno solika niala tao “Toamasina” dia teo Moramanga dia efa nirehitra ny “témoin” fa lany ny solika, hoy ny fanamarihana. Ny solika ho an’ireny anefa dia baraingo amin’ny ankapobeny. Tena kisendrasendra ve ireny toe-javatra ireny sa efa fankahalana sy fanaovana ankilabao anay, hoy ireo polisy tafaresaka taminay ?

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana