Dans la mme rubrique

Governemanta sy loholona Miharihary ny ady mangatsiaka

21/08/2019

Adiny fito sy fahefany teo ny fihaonana teny amin’ny Lapan’Anosikely nisian’ny fampahafantaran’ny praiminisitra Ntsay Christian ny politika ankapoben’ny fanjakana na ny PGE tamin’ny antenimierandoholona omaly.

Governemanta sy loholona Miharihary ny ady mangatsiaka

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana - CENI Haverina amin’ny laoniny ny anaran’ireo tsy tao anaty lisitra

21/08/2019

Efa eo am-pijerena ireo anaran’ny olona tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana ny eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni.

Fifidianana - CENI Haverina amin’ny laoniny ny anaran’ireo tsy tao anaty lisitra

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Tokony ho matotra amin`izay..

21/08/2019

Nantsoina haneho ny safidiny amin’izay ho ben’ny tanàna hitondra ny kaominina ny vahoaka.

Minisiteran`ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Tokony ho matotra amin`izay..

Hamaky ny tohiny...

Imbiky Herilaza “Manan-danja ny fametrahana ben`ny tanàna eto Antananarivo”

21/08/2019

“Tsy hitsara ireo zavatra efa lasa fa tokony hipetraka sy hitodika amin`ny tsaratsara kokoa isika. Mendrika zavatra tsara ny tanànan`Antananarivo amin`ny maha renivohitra azy”, hoy i Imbiki Herilaza, mpahay lalàna,

Imbiky Herilaza “Manan-danja ny fametrahana ben`ny tanàna eto Antananarivo”

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Nolanian’ny depiote TIM ho lehiben’ny mpanohitra

21/08/2019

I Marc Ravalomanana no nofidian’ireo depiote miisa 16 lany tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ho lehiben’ny mpanohitra, araka ny fifidianana notontosaina teny amin’ny foiben’ny TIM eny Ankadivato ny 19 aogositra teo.

Marc Ravalomanana Nolanian’ny depiote TIM ho lehiben’ny mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an`Antananarivo Miainga avy amin`ny tsirairay

21/08/2019

Amin`ny ankapobeny, ny fampandrosoana dia tsy maintsy miankina amin’ny mpitondra sy ny entina. Itsy voalohany dia miandraikitra ny fanatsarana ny lafiny toekarena sy ny sosialy. Ao anatin`izany, ny fampandrosoana entin`ny mpandraharaha.

Fampandrosoana an`Antananarivo Miainga avy amin`ny tsirairay

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

21/08/2019

Lahadinika teny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny fanoherana. Tsy mbola nisy ny zavatra tena tapaka.

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiara-mitantana ny nosy Eparsa Misy misitery

09/07/2019

Efa nanambara ny avy eo anivon’ny firenena mikambana fa mila hajaina ny fiandrianan’ireo firenena voazanaka fahiny efa nomena fahaleovantena.

 

Nifanindran-dalana tamin’izany moa ny lalàna na “loi d’annexion” mikasika an’i Madagasikara ny 6 aogositra 1896 izay nanambarana fa ao amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ireo nosy manodidina miisa 5 dia i Europa, Bassas Da India, Juan de Nova, Archipelle de Glorieuses ary i Tromelin. Nisy anefa, raha ny fanadihadiana iray, ny didim-pitondrana mandeha ilan’ny frantsay ny 1 aprily 1960 manala ireo nosy ireo amin’ny Malagasy mba hanaovan’ny frantsay andrana nokleary. Ny didim-pitondrana laharana 78-146 ny 3 febroary 1978 kosa no nametrahana izay ho tany manan-tsata ara-toekarena tanteraka na ZEE. Tamin’io taona io ihany dia niverina nangataka ireo nosy manodidina ny filoham-pirenena, Didier Ratsiraka, ary nandidy ny frantsay ny ONU ny taona 1979 mba hitady izay fomba azo hifanarahana hamerenana ireo nosy ireo ho an’ny Malagasy tanteraka. Raha ny fanadihadiana moa dia manelanelana an’i Mozambika, Tanzania, Seisely ary Madagasikara no misy tanin-tsolika harenan’ireo ranomasina atsimon’ireto firenena ireto. Ho an’i Mozambika, ohatra, ao amin’ny faritr’I Cabo Delgado, dia voalaza fa itoerana gazy hatramin’ny 425 miliara m3. Zambeze, ao amin’ny reniranon’i Rovuma, misy 240 miliara m3. Ho an’i Madagasikara kosa, indrindra,  ny tobin-dranon’i Morondava (bassin de Morondava) dia misy tobin-gazy hatramin’ny 167 miliara m3 ary ny 20 miliara m3 amin’izany dia gazy voajanahary sy tsara kalitao. Misy tahirin-tsolitany 17 miliara barila koa toy ny ao Bemolanga izay misy 2 miliara sy Tsimiroro izay 1,7 miliara ary tantanana orinasa vahiny iray mandritry ny 50 taona miaraka amin’ny 150.000 barily isan’andro. Heverina, araka izany, fa anisan’ny azo ilazana ireo fa misy misitery ny fikirizan’ny frantsay hiara-kitantana ireto nosy ireto.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana