Dans la mme rubrique

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

24/03/2020

Fotoana izao hanehoana ny firaisankinam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika TAMAMI.

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana kaominaly « Asakasak’izay hilatsaka »

09/07/2019

Raha mba ohatry ny baolina kitra ny fandrosoan’ny firenentsika, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa,

 

 dia ho lasa lavitra isika fa ny mampalahelo dia vesarin’ny frantsay ny fifidianana eto amintsika mba hahafahan’i Andry Rajoelina hanao sonia ny fiaraha-mitantana ireo nosy manodidina. Ireny fifidianana rehetra ireny dia efa nomanina sy namboarina araka ny filan’ny frantsay azy na hoe « orchestré » hametrahana ny saribakoliny eto sy ireo depiote hanaiky io fiaraha-mitantana io. Rehefa tsy lanin’ny antenimiera lanim-bahoaka ilay izy dia hidingin-drambo ny frantsay hoe io tokoa fa manaiky ilay fiaraha-mitantana isika. Famadihan-tanindrazana izany satria izao tontolo izao tamin’ny 1979 dia nanaiky fa antsika ireo nosy ireo. Ahoana no hiaraha-mitantana fa maninona raha haverina manontolo amin’ny gasy ? Ireo ve dia tsy haintsika ny mitantana azy irery ? Fanjanahana aminay ny fikirizan’ny frantsay hiara-mitantana ireo nosy ireo, hoy izy. Efa nifanarahana mialoha na hoe “pré-médité” fa Andry Rajoelina no atao lany filoham-pirenena ary antony nilazany io fa tsy maintsy izay no hitranga. Tamin’ny depiote indray dia any Frantsa renimalalany izy no nanambara fa nahazo depiote 80 mahery ary Ravalomanana 20 latsaka kely. Amin’ny 26 jona 2020 izany dia mety ho tonga aty ny filoha frantsay hiteny hoe “mifankatia be isika fa iaraha-mitantana ireo nosy manodidina ireo. Amin’izay angamba dia hoeken’ny depiote izany. Manentana ny vahoaka tsy hanaiky lembenana. Mikasika ny kaominaly dia efa niteny izahay fa tsy mety ny fitsipiky ny demokrasia eto ka asakasak’izay hilatsaka. Hitantsika fa haingon-tsehatra izay nandray anjara ary dia mamangy amin’ny fahoriana ireo izay tsy lany noho io rafitra io, hoy hatrany izy.  

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana