Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fisolokiana varotra tany Voafitaka tamin’ny resaka sonia ireo mpividy

08/07/2019

Renim-pianakaviana iray nitantara ny namitahan’ny mpandova maro izay nividianany tany. “Nividy

 

 

tany tamin’olona teny amin’ny faritra Anosizato izahay. Efa nampiasaina elaela nivarotana saribao

izany, efa nampanofaina tamina mpiavy maromaro ka nanorenan’ireto farany trano hazo, nandritra

ny taona vitsy. Nokarakaraina miadana ny taratasy, sady mbola nisy ambiny ny vidin’ilay tany koa

naloa tsikelikely. Izahay mianakavy kely tany ambanivohitra fa ny vadiko no nivezivezy nitondra arina fandrehitra sy nanara-maso ny tsenanay taty an-drenivohitra. Nisy fotoana tsikaritr’ireo mpivarotra ilay tany fa tsy nahay taratasy ilay raim-pianakaviana. Nandresy lahatra ny vadiko ireo

mpandova maro fa atao ny taratasy, tsy voatery hisahirana hitady vavolombelona fa mahita izy ireo.

Vita ny taratasy fifampivarotana ary nofitahin’ireo mpivarotra tanteraka izy. Efa namidin’ireo mpandova tamin’olona hafa ihany koa ilay tany. Teo amin’ny toeran’ny sonian’ny

vavolombelona tao amin’ny taratasy fifampivarotana no nanao sonia ny vadiko”, hoy i Bery Razafindravao. Niteraka aretim-po ho an’ity renim-pianakaviana ity izany fa tsy mba niteny taminy ny vadiny nandritra ny fanaovana taratasy. Marihina fa nitomany ity renim-pianakaviana ity nandritra ny

fintantarany ny zava-nitranga. Nilaza izy fa hitondra ny raharaha eo amin’ny fitsarana, nefa kely ny

fanantenany manoloana ny taratasy efa voasonia.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana