Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fitsarana fiarakodia Mpanao taratasy hosoka 8 tra-tehaka

08/07/2019

Valo no voasambotra tamin’ny fanaovana anton-taratasy hosoka mikasika ny fitsirihana fiarakodia, tamin’iny herinandro iny.

 

 

 Ny dimy tamin’ireo dia tratra noho ny fampiasana hosoka momba ny “attestation de non affectation de véhicules au transport à titre honnereux » izay andraikitry ny ivon-ketra ny famoahana izany. Ny telo kosa tra-tehaka tamin’ny fitsirihana ara-teknika ny fiara, araka ny

Fampitam-baovaon’ny Tale jeneralin’ny aro lozan’ny fifamoivoizana nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, ny sabotsy maraina teo. Tanjon’ny mpitandro filaminana hatrany moa ny ezaka

fanadiovana sy fialana tanteraka amin’ny kolikoly eo anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia, raha ny fampitam-baovao. Nandritra ny hetsika fidinana nataon’ny fitantanana teo amin’ny foibe fitsirihina ara-teknika fiarakodia na DGSR niaraha-niasa tamin’ny “direction de police judiciaire” eo amin’ny Toby Ratsimandrava, eoAndrefan’Ambohijanahary ny 2 ka hatramin’ny 5 jolay teo no nahatrarana ireo tambazotra mpanao hosoka sy fampiasana hosoka karazany roa ireo. Tratra nandritra ny fisavana ny tranon’ireo olondratsy valo ireo ny fitombon-kase hosoka. Efa misy fitaovana informatika tahaka ny solosaina sy ny fanotana printy ny tarasim-panjakana maromaro hosoka tahaka ny “imprimé DGSR”, hatramin’ny “contre visite” an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra na CUA ihany koa tao an-tokatranon’izy ireo. Vonona hanome kalitaon’ny asa hatrany ny sampana fitsirihina fiara-kodia

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana