Dans la mme rubrique

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

Hamaky ny tohiny...

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

19/07/2019

Notanterahina omaly alakamisy 18 jolay teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana Anosy ny faha-60 taonan’ny fandraharahana ny fonja. Lohahevitra tamin’izany ny hoe:

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

Hamaky ny tohiny...

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

18/07/2019

Marihina amin’ny fomba ofisialy anio 18 jolay ny andro ho an’i Nelson Mandela na ny “Mandela Day”.

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

Hamaky ny tohiny...

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

17/07/2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly fa feno ny fepetra ahafahana mampitondra ny anaran’ny lalana manoloana ny kianjan’Alarobia izay mifanjohy amin’ny lalana Ranaivo Paul sy Andriatsihoarana ho lalana Zafy Albert.

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

Hamaky ny tohiny...

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

17/07/2019

Hankalazaina isaky 18 jolay ny andro ho an’i Mandela na ny « Mandela Day » araka ny fanapahana nataon’ny UNESCO tamin’ny 18 jolay 2009,

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

17/07/2019

Niditra tamin’ny andiany fahefatra tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny fivorian’ireo komity anatiny misahana ny fanajariana ny tetikasa momba ny fanatsarana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina (TatoM).

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

17/07/2019

Hatao tanàna mpirahavavy ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny tanànan’i Jerosalema any Israel, raha araka ny vinavina.

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fo nijanona tampoka Nodimandry i Jaona Elite

08/07/2019

Nodimandry tampoka teo amin’ny faha-44 taonany omaly 7 jolay halina ny solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha voafidy teny amin’ny distrikan’Antananarivo Harijaona Randriarimalala na Jaona Elite.

 Teo am-pijerena baolina an-kalamanjana teny amin’ny Akoor Digue nanohana ny Barean’i Madagasikara niaraka tamin’ireo namana aman-tsakaizany izy no tojo tsy fahasalamana tampoka na “malaise”, raha ny vaovao azo.  Nentina tao amin’ny Hopitaly Manara-penitra eny Andohatapenaka fa tsy tana ny ainy. Fijanonan’ny fitempon’ny fo tampoka no voalaza fa niteraka ny fahafatesany. Mpandraharaha teo amin’ny tontolon’ny teknolojia no tena nahafantarana an’i Jaona Elite satria izy no namorona ny orinasa Elite GSM, anisan’ny orinasa Malagasy voalohany nisehatra tamin’ny fivarotana finday teto Madagasikara. Niitatra izany taty aoriana ka niditra tamin’ny fampidirana ny marika “Techno” ihany koa izy, izay  marika nanana ny nampiavaka azy teto Madagasikara  na eo amin’ny lentany na kalitao. Fanta-daza eo amin’ny tontolon’ny hazakazaka fiarakodia haingam-pandeha (Run) ihany koa izy, ary matetika nibata amboara. Taty aoriana, ny taona 2013 izy no nirotsaka hofidiana ho depiote teny Antananarivo Atsimondrano tamin’ny anaran’ny sehatra tsy miankina, ary lany soa aman-tsara. Nanohana ny Vondrona parlemantera nanohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina izy, izay filohan’ny vondrona parlemantera HVM mihitsy, saingy niala sy nisafidy hipetraka ho hery afovoany na “centriste”, taorian’ny faharavan’ny governemanta Mahaly Solonandrasana Olivier. Rehefa nandeha ny fifidianana filoha avy eo, dia nisafidy ny nanohana an’i Andry Rajoelina izy. Niverina nirotsaka ho fidiana solombavambahoaka tamin’ny anaran’ny tenany manokana, ka laharana faha-3 no nisy azy, ary iny fifidianana iny no nanahitana azy farany teo amin’ny tontolo politika. Ny fianakaviamben’ny Gazety Tia Tanindrazana dia miombona alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany manontolo. 

 

 

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana