Dans la mme rubrique

Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka Hanafaingana ny fomba fiasa ny teknolojia avo lenta

20/09/2019

Fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS) mandritra ny 3 taona no notanterahina tetsy Ambohidahy omaly.

Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka Hanafaingana ny fomba fiasa ny teknolojia avo lenta

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Mandroso ny asa fanamboaran-dàlana sy làlankely

20/09/2019

Mandroso ny asa fanamboaran-dalana sy lalankely ao Betafo Ambohimandroso sy Ambodivonkely boriborintany faha-6;

Antananarivo Renivohitra Mandroso ny asa fanamboaran-dàlana sy làlankely

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa 930 Hiatrehana ny loza voajanahary

20/09/2019

Notoloran’ny Fondation Telma fitaovana manaraka ny toetrandro ny fikambanana Medair hanampy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa 930 izay ahafahana manaitra mialoha ny olona raha sendra tojo loza voajanahary.

Tetikasa 930 Hiatrehana ny loza voajanahary

Hamaky ny tohiny...

Farihin’Anosy Efa tsy matahotra intsony ny mpanarato

20/09/2019

Tsy tahotra tsy henatra ny an’ireo olona manarato etsy amin’ny Farihin’Anosy toerana hivarinan’ny rano maloto avy amin’ireo faritra manodidina azy eto Antananarivo.

Farihin’Anosy Efa tsy matahotra intsony ny mpanarato

Hamaky ny tohiny...

Fiahiana ara-tsosialy CNaPS – SASS Notohizana tany Andapa ny fampiofanana

20/09/2019

« Aoka ny hasasarany ho azony araka ny fifanarahana », hoy ny inspecteur de travail Randrianarijaona Charles Emilson lehiben’ny sampandraharaha SASS (na service d’Action Sanitaire et Sociale) eo nivon’ny CNaPS tao Andapa tamin’ny fanombohana ny fampianarana momba ny Lalànan’ny Fiahiana ara-tsosialy.

Fiahiana ara-tsosialy CNaPS – SASS Notohizana tany Andapa ny fampiofanana

Hamaky ny tohiny...

Tale jeneralin’ny UNICEF “Tandindonin-doza ny ankizy maneran-tany”

18/09/2019

Tao anatin’ny taratasy misokatra miantefa amin’ny ankizy maneran-tany no nambosahan’ny Tale jeneralin’ny UNICEF Sampandraharaha iraisam-pirenena miaro ny zon’ny ankizy, Rtoa Henrietta H.

Tale jeneralin’ny UNICEF “Tandindonin-doza ny ankizy maneran-tany”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana FILEFA “Tsy mpisoloky izahay fa mijoro ara-panjakana”

18/09/2019

Nanambara ny olana nosedrainy tany Moramanga, tamin’ny faran’ny herinandro teo ny filohan’ny FIkambanan’ireo olona LEo ny FAhantrana (FILEFA) Atoa Razafindrakoto Gérard, omaly.

Fikambanana FILEFA “Tsy mpisoloky izahay fa mijoro ara-panjakana”

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fitrandrahana volamena Ny vahiny no manankarem-be ao Vohipeno

08/07/2019

Tokony hojerena manokana ny lalàna mahakasika ny harena ankibon’ny tany (codes miniers) mba ho tombony amin’ny vahoaka Malagasy ny fitrandrahana,

 

 

hoy ny Depiote Tsabotokay Honoré lany tao amin’ny distrikan’i Vohipeno faritra Vatovavy Fitovinany. Ankoatra ny olan’ny fananan-tany sy ny tsy fandriampahalemana izay mampikaikaika ny mponina any dia mahazo tombony sy manankarena ny kaompania vahiny manao ny fitrandrahana volamena, hoy izy. 1% monja no homena sy azon’ny fanjakana kanefa tokony ho 30% na hisasaka mihitsy ny tombony ifampizarana. Misy ary manana volamena betsaka i Vohipeno kanefa ny Malagasy tompon’ny harena indray no tsy misitraka ny tombontsoa ary mahantra fadiranovana ny mponina. Nangataka amin’ny Fanjakana ny hamerenana ny seranan-tsambon’i Manakara sy ny fanamboarana ny lalana ihany koa ity depiote ity satria maro be ny vokatra any an-toerana kanefa amidy varoboba noho ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa. Any Vohipeno no manankarena lodsia, indrindra eto Madagasikara ary ankoatr’izay dia misy kafe,  jirofo,  lavanila izay vokatra afaka hitondra  fampandrosoana any ifotony. Tokony hisy ihany koa ny orinasa fanodinam-bokatra, hoy izy satria tena maro be ny vokatra. Nanaitra ny fanjakana ihany koa ny tenany satria ny tapany Andrefana tahaka an’Ilakaka iny dia tena olana ny tsy fandriampahalemana noho ny tsy fahampian’ny zandary sy ny basy.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana