Dans la mme rubrique

Antananarivo Renivohitra Hisy kandida ben’ny tanàna tsy ampoizina ?

20/08/2019

Amin’ny 29 aogositra izao no hisokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ny kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly ho an’ny fifidianana hatao ny 27 novambra ho avy izao.

Antananarivo Renivohitra Hisy kandida ben’ny tanàna tsy ampoizina ?

Hamaky ny tohiny...

Fampiasam-bolan’ireo kandida filoha Tsy mbola navoakan’ny Komity mpanara-maso ny tatitra

20/08/2019

Takian’ny lalàna fototra 2018-008 momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka ny fangaraharahan’ny kaonty sy ny fampiasam-bola amin’ny fampielezan-kevitra.

Fampiasam-bolan’ireo kandida filoha Tsy mbola navoakan’ny Komity mpanara-maso ny tatitra

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Fa nahoana no tena atahorana mafy ?

20/08/2019

Nanomboka ny taona 2009 no nenjehina fatratra i Marc Ravalomanana ary natahorana mafy ny fidirany teto Madagasikara taorian’ny fanonganam-panjakana.

Marc Ravalomanana Fa nahoana no tena atahorana mafy ?

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Nahena ny isan’ireo vondrona parlemantera

20/08/2019

Nahena ny isan’ny vondrona parlemantera eny amin’ny Antenimieram-pirenena, araka ny fanovana tao anatin’ny fitsipika anatiny nolaniana tamin’ny tsangan-tanana omaly.

Antenimieram-pirenena Nahena ny isan’ireo vondrona parlemantera

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena masoivoho Malagasy Mbola miandry ny fankatoavan’ireo firenena hampiantrano

20/08/2019

Raha manao tohivakana ireo fahatongavan`ireo ambasadaoron`ny firenena vahiny hiasa eto Madagasikara dia mihazohazo hatramin`izao ny fanendrena ambasadaoro Malagasy any ivelany any.

Fanendrena masoivoho Malagasy Mbola miandry ny fankatoavan’ireo firenena hampiantrano

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Ben’ny tanàna Raha lalao madio dia izay safidin’ny vahoaka no handresy

20/08/2019

Nitondra ny heviny mikasika ny fifidianana ho ben’ny tanàna hatao ny 27 novambra ho avy izao, ireo olom-pirenena nanaovana ny fanadihadiana.

Fifidianana Ben’ny tanàna Raha lalao madio dia izay safidin’ny vahoaka no handresy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Ataon’ny fanjakana fitadiavam-bola ?

19/08/2019

Eo anelanelan’ny 600 000Ar hatramin’ny 10 000 000Ar ny antoka ara-bola amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly, araka ny didim-panjakana mitondra ny laharana 2019-1542 navoakan’ny governemanta ny 14 aogositra teo.

Fifidianana ben’ny tanàna Ataon’ny fanjakana fitadiavam-bola ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Minisitra Hajo sy Depiote Raholdina Vaky tanteraka ny ady ?

04/07/2019

Ny maika aminay izao dia ny fanovana ny mpikamban’ny governemanta satria misy rahateo ny tombana nambaran’ny filoha fa hatao ao anatin’ny enim-bolana, hoy ny venti-kevitry ny fanambaran’ny depiote voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-5

 

 

 

Atoa Naivo Raholdina teny amin’ny HCC Ambohidahy ny 2 jolay teo. Raha ny tontolon’ny fananan-tany, dia tsy nahavita azy ny minisitra raha ny nambarany. Fanakianana mazava sady mahitsy tsara izay azo  adika fa misy tsy fitovian-kevitra aloha izany eo amin’ny samy mpanohana fitondrana ary mety misy tsy fifankahazoana manokana mihitsy aza eo amin’Atoa isany  Naivo Raholdina sy Hajo Andrianainarivelo. Misy tombontsoa mifanipaka sa tena fomba fijery mihitsy ? Raha ny tantara rahateo no jerena, filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany teo anivon’ny antenimiera ary miresaka matetika momba io tontolo io Atoa Naivo Raholdina. Efa nitana io minisitera iantsorohany io kosa Atoa Hajo Andrianainarivelo tamin’ny tetezamita, saingy nisara-dalana tamin’ny fifidianana filoha ny 2013, saingy io tafaverina io aty aoriana. Nisy fotoana naniry io toerany io ve ity solombavambahoaka ity fa tsy nahazo ? Ny azo antoka aloha, dia samy miezaka maka ny fon’ny filoha ny an-daniny sy ny an-kilany.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana