Dans la mme rubrique

RMDM

14/08/2019

Tafatsangana ankehitriny ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

RMDM

Hamaky ny tohiny...

Lova Ramisamanana

05/08/2019

Naneho ny hatezerany manoloana ny fiverenan’ny tandrevaka nisy hatrizay eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra ny filohan’ny fikambanana Alefa Barea, Lova Ramisamanana.

Lova Ramisamanana

Hamaky ny tohiny...

SAMBO TOJO OLANA

31/07/2019

Maty motera ary notsofin’ny rivotra mahery ny sambo iray antsoina hoe Joby. Nitatitra simenitra aman-jatony taonina izy io ary hikasa ny hihazo an’i Vohémar raha niala teo amin’ny nosy « Prunes ».

SAMBO TOJO OLANA

Hamaky ny tohiny...

NANDRIAKA NY RA

29/07/2019

Nandriaka ny ra tamin’iny faran’ny herinandro iny. Raha ny teo anivon’ny zandarimaria manokana dia efa tafiakatra maherin’ny efapolo ny isan’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga.

NANDRIAKA NY RA

Hamaky ny tohiny...

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

23/07/2019

Mitombo hatrany ny fitohanan’ny fifamoivoizana vokatry ny tetikasa fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra.

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

Hamaky ny tohiny...

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

22/07/2019

Mbolalavitr'ezakatanterakanyfamantarana ny toetry ny andromalagasy. Novoizinamafynyhoe hilatsakahatranyamin'ny 0°C ny mari-pànamanombokaamin'ny 21 jolay.

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Hamaky ny tohiny...

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

03/07/2019

Teo am-pisokirana nify mihitsy ny minisitry ny serasera no azo sary tamin’ny TVM nandritry ny didim-pitsaran’ny HCC nampahafantatra ny depiote lany.

 

 

 Amin’ny mpanara-maso dia tsy kisendrasendra izany fa mbola endriky ny tsy fitiavan’ny mpiasan’ny tele sy radio nasionaly ny minisitera mpiahy azy ireo. Elaela mihitsy vao niova ny sary ary hitan’ny besinimaro. Dia hisaoty indray ve ny mpaka sary ? 

NAFINDRA ENY ANTANIMORA

Nafindra ao Antanimora ny roapolo tamin’ireo miaramila 27 izay nidoboka tetsy Tsiafahy. Voarohirohy tamin’ny famonoana ireo olona telo nariana tao amin’ny reniranon’i Onive, tetsy Ampitatafika-Antsirabe izy ireo. Omaly no notontosaina ny fanadihadiana ifotony nataon’ny sojaben’ny mpitsara mpanao famotorana tetsy Anosy. Natahotra ihany ve ny mpitsara taorian’ny filazan’izy ireo fa fandrahonana ka nanaiky ny famindrana ? Tsiahivina fa komando eo anivon’ny RFI ny ankamaroan’ireo voakasika. 

NOSAVAIN’NY ZANDARY

Nosavain’ny zandary tsirairay ny fiara hihazo an’Analavory. Ny antony dia ny fahenoan’izy ireo fa misy fito lahy mikasa hanafika ny tanàna. Tao anaty taksibrosy no nandeha ireo olon-dratsy izay nitsoaka nisaoty ny varavarankely avy hatrany raha vao nahita ny zandary avy lavitra. Tsy vitan’izay fa mbola nitifitra koa izy ireo. Taorian’ny fifanenjehana izay efa ho adiny iray no voatifitra ary lavo ny telo tamin’ireo olon-dratsy. Azo sambo-belona ny ambiny. 

NITIFITRA NY POLISY

Nitifitra koa ny polisy tao Toliara rehefa nifanehatra tamin’ny jiolahy mitam-basy. Efa nihaodihaody tao Mahavatse ireo olon-dratsy ary nikasa ny hanao fandrobana no nisy nampandre ny polisy avy amin’ny FIP. Jiolahy mpanakan-dalana eny amin’ny lalam-pirenena koa izy ireo ary fantatra nandritry ny fanadihadiana izany. Lavo ny iray ary azo sambo-belona ny telo. Mbola nisy saron-tava hita teny amin’izy ireo. 

FANAFIHANA MPIZAHATANY

Lasan’ny jiolahy ny volan’ny mpizahatany tao anatin’ny hotely nipetrahan’izy ireo. Vola an-jatony tapitrisa saika hanaovana asa soa no nisy naka tao amin’ny efitrano nisy ireo vahiny, tany Manakara. Izy ireo anefa dia tao anatin’ilay trano ihany saingy tratran’ny « fonoka » angamba ary tsy nahare izay teto ambonin’ny tany. Ny maraina nifoha vao samy talanjona fa efa tsy teo intsony ny volabe. Variana tanteraka amin’ny fahaizan’ny malagasy mangalatra ireo mpizahatany.

EFA NANKATOAVIN’NY FILOHA

Hivoaka amin'ny herinandro ho avy izao ny anaran'izay ho Tale Jeneralin'ny Bianco vaovao, hoy ny filohan'ny CSI. Efa nanome fankatoavana ny filoham-pirenena fa ny pitsopitsony ara-taratasy sisa andrasana. Mpitsara ny roa tamin’ireo telo farany izay natolotra tany amin’ny filoha. Jeneralin’ny zandary kosa ny iray farany ary ny roa tamin’izy ireo dia efa niasa tao amin’ny Bianco ihany, raha araka ny tsilian-tsofina. 

ZAZALAHY VOAOLANA

Zazalahy iray vao 12 taona no niharan’ny fanolanana. Hafakely ny zava-misy satria tovolahy roa izay iray sekoly aminy ihany saingy efa lehibebe no tompon’antoka. Tsy vao voalohany no efa nanao izany izy ireo saingy tsy hita raha tsy efa narary ary nentina teny amin’ny dokotera ilay zazalahy. Nosamborina ireo tovolahy ary natolotra ny fampanoavana omaly. Misy hidiran’ny fiparitahan’ny héroïne ao an-toerana ve ity firodanan’ny tanora ao Toamasina ity ?

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana