Dans la mme rubrique

Vola ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana Manjaka ny fanodinkodinana, hoy ny Banky Iraisam-pirenena

24/02/2020

Rariny raha mbola matroka hatrany ny tarehimarika ara-toekaren’ireo firenena mahantra sy an-dalam-pandrosoana tahaka an’i Madagasikara.

Vola ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana Manjaka ny fanodinkodinana, hoy ny Banky Iraisam-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Herisetra amin’ny fikirakirana internet Ny 84%-n’ny tanora Malagasy no efa lasibatra

24/02/2020

Ny 84%-n’ireo tanora mampiasa internet nanaovan’ny fikambanana ONG Youth First fanadihadiana dia nanambara fa efa niharan’ny herisetra avokoa.

Herisetra amin’ny fikirakirana internet Ny 84%-n’ny tanora Malagasy no efa lasibatra

Hamaky ny tohiny...

Lalàna momba ny fanoherana Efa adino tanteraka

21/02/2020

Fanamby napetraky ny filoha Rajoelina hatrany ny hoe “izay zavatra tsy vitan`ireo mpitondra nifanesy taorian`ny fahaleovantena dia hotanterahiko ao anatin`ny dimy taona”.

Lalàna momba ny fanoherana Efa adino tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Fampidiran-ketra taona 2020 4029 miliara ariary no hotratrarina

20/02/2020

Nisy ny fihaonana niarahan’ny Fitantanana Ankapoben’ny Hetra (DGI) sy ireo solontenan’ny vondron’orinasa (groupements) tetsy amin’ny DGE (Direction des Grandes Entreprises) Amparibe.

Fampidiran-ketra taona 2020 4029 miliara ariary no hotratrarina

Hamaky ny tohiny...

Hain-tany any Atsimo Hanao hetsika vonjy aina ny fanjakana

20/02/2020

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly fa hanatanteraka hetsika vonjy aina hamatsiana rano sy sakafo ireo mponina lasibatry ny haintany any atsimo ny fitondram-panjakana .

Hain-tany any Atsimo Hanao hetsika vonjy aina ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

PFNOSCM VOIFIRAISANA « Ajanony ny tsindry amin`ny firaisamonim-pirenena »

18/02/2020

Mitaky ny famotsorana an`i Thomas Razafindremaka (TR) ny vondron`ny firaisamonim-pirenena PFNOSCM VOIFIRAISANA.

PFNOSCM VOIFIRAISANA « Ajanony ny tsindry amin`ny firaisamonim-pirenena »

Hamaky ny tohiny...

Olana ara-tsosialy –Antananarivo Ny zaza mpangataka no lasa jiolahy

18/02/2020

Lasa tranga efa mahazatra ny mpanara-baovao ny mandre sy mahita zaza tsy ampy taona, nangarom-paosy, nanao sinto-mahery ka tratra.

Olana ara-tsosialy –Antananarivo Ny zaza mpangataka no lasa jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Dossier

BAD-Madagasikara Hakarina avo roa heny ny famatsiam-bola

03/07/2019

“Izay firenena marefo sy tsy mahavita manarin-tena dia tsy tafiditra ao anatin`ny fikambanamben`ireo firenena te handroso vatsian`ny BAD saingy tsy anisan`izany i Madagasikara”, hoy ny filohan`ny Banky Afrikanina ho an`ny Fampandrosoana (BAD),

 

 

 

 Akinwuni Adesina, teo anivon`ny fivoriana faharoa hanapahana ny famatsiam-bola ao anatin`ny tahirim-bola afrikanina ho an`ny fampandrosoana (FAD) andiany faha-15, omaly. Hohatsaraina ny loharanom-bola ataon`ny BAD amin`ireo firenena afrikanina ka hakarina avo roa heny ny famatsiana ho an`i Madagasikara. Tsy mbola nisy tarehimarika naroso omaly tamin`ity fivoriana faharoa ity nefa kosa azo vinavinaina ny tanjona ka nangatahana fanohanana amin`ity seha-pamatsiana afrikanina ity. Tonga nanokatra ny fivorian`ny FAD ny filoha Rajoelina ka nilaza fa seha-pamokarana telo hoentina hanaingana ny fanatanterahana ny velirano ny ady amin`ny hanoanana, ny famatsiana herinaratra ary ny fananganana orinasa.  Tafiditra ao ny fampitomboana avo roa na telo heny ny famokarana herinaratra, ny fanohizana ireo ezaka efa vita amin`ny fanajariana ny lemak`i Vamangoky ka tanjona ny fampitomboana ny velaran-tany hatramin`ny 70 000ha. Efa tafapetraka ireo lakandrano ary laharam-pahamehana ireo. Ampitomboina ireo seha-pihariana isaky ny tokantrano hanakarana ny fahaleovantena ara-tsakafo hahafahana mandresy ny fahantrana. Manana ny ilaina rehetra i Madagasikara entina hampiroboroboana ny famokarana, hoy ny filoha  ka tsy sarotra ny hananganana orinasa goavana isam-paritra. Maro ireo entana hafarana nefa manana akora rehetra. Mandritra ny sivoriana fahatelon`ny FAD atao any Cote d’Ivoire amin`ity taona ity no fantatra ny sandany hamatsiana ny BAD ho antsika hanatanterahana ireo vina ireo.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana