Dans la mme rubrique

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

23/07/2019

«Bevohoka ilay zazavavy 14 taona, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpanolana». Io no vaovao ofisialin’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fanolanana nitranga tao Manjakandriana.

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

23/07/2019

Fiara lehibe iray no nanitsaka zazavavy kely roa taona teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 11 + 800 ny 18 jolay sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana.

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

23/07/2019

Tanora kaomorianina mpandranto fianarana no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tamin’ny fikasana hanao trafikana zavamahadomelina vokatra eto Madagasikara hamatsiany ny olompirenena any amin’izy ireo.

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

23/07/2019

Mitohy ny fanatonan’ny tafika Malagasy ny mponina ho fampandriana ny fahalemana na an-dalam-piovana aza ny governemanta.

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

Hamaky ny tohiny...

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

22/07/2019

Voafonja sy mpandraharaha ny fonja iray avy naratra nandritra ny ora roa mahery, noho ny poa-basy sy tora-bato tao Ambalatavoahangy.

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

Hamaky ny tohiny...

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

22/07/2019

Manahy fandorana niniana natao tamin’ilay fahamaizan’ny tsena “Esplanade” ambany ao Bazary kely ireo mpivarotra ankehitriny.

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

22/07/2019

Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatolampy ny raharaha mahakasika ilay fiara tapaka hisatra nahafaty olona roa avy namonjy lanonam-panambadiana.

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Hetsika famerenana omby halatra 329 Tsy nandoro tanàna izany ny zandary

02/07/2019

Trano telo no may vokatry ny bala na “balles incendiaires” fa tsy nandoro tanàna ny mpitandro filaminana araka ny tsaho naelin’ireo mpiray tsikombakomba tamin’ny malaso, hoy ny zandary any an-toerana.

 

 

Ireo dahalo ambony latabatra mpandray omby halatra sy mpiaro ireo namany any an-kianja no nanapariaka ny vaovao tsy marina. Jiolahy dimy no maty, omby 329 tafaverina, ary basim-borona 4 sy basy poleta 3 no avotra. Ireo no vokatry ny fifanjevoan’ny zandary 60 avy ao amin’ny kaompanian’i Betroka izay nohatevenin’ireo miaramilan’ny zandarimariam-pirenena mpiady amin’ny dahalo na USAD. Tao  Soahazo, Mangalahihy,  kaominina Ivaho no nitranga ny sakoroka ny zoma tamin’ny 6 ora maraina teo. Toerana izay fanafenan’ny dahalo ireo omby halatra an-taonany maro ary tsy vaky raha tsy tamin’izao zandary  60 izao, araka ny tafa manokana tamin’ny tomponandraikitry ny kaompania. Vao teo am-pandaminana ny tetikady hidirana ny zandary dia nitifitra ireo dahalo ka izay no naharaikitra ny fifandonana.

Fangaraharahana

Efa nogiazana ao Betroka ireo omby ary maro ireo voatafika no mahatsikaritra ny azy ao tahaka ny fianakaviana iray  izay very omby fitopolo, efa an-taonany maro ka iray amin’izany sisa tazany ao. Manatona ny Fitsarana miaraka amin’ny taratasy fanamarinana ireo mpiompy mahatsikaritra ny ombiny ao ka ny tribonaly no manadihady sy mamoaka ny didy, mba hanjakan’ny mangarahara. Marihina fa mbola misy basy mahery vaika mas 36 lasan’ireo dahalo. Mbola andrasana any amin’ny faritra Atsimo ireo fiara vaovao izay natolotry ny fitondrana tamin’ny fetim-pirenena teo.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana