Dans la mme rubrique

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

23/07/2019

«Bevohoka ilay zazavavy 14 taona, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpanolana». Io no vaovao ofisialin’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fanolanana nitranga tao Manjakandriana.

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

23/07/2019

Fiara lehibe iray no nanitsaka zazavavy kely roa taona teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 11 + 800 ny 18 jolay sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana.

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

23/07/2019

Tanora kaomorianina mpandranto fianarana no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tamin’ny fikasana hanao trafikana zavamahadomelina vokatra eto Madagasikara hamatsiany ny olompirenena any amin’izy ireo.

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

23/07/2019

Mitohy ny fanatonan’ny tafika Malagasy ny mponina ho fampandriana ny fahalemana na an-dalam-piovana aza ny governemanta.

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

Hamaky ny tohiny...

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

22/07/2019

Voafonja sy mpandraharaha ny fonja iray avy naratra nandritra ny ora roa mahery, noho ny poa-basy sy tora-bato tao Ambalatavoahangy.

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

Hamaky ny tohiny...

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

22/07/2019

Manahy fandorana niniana natao tamin’ilay fahamaizan’ny tsena “Esplanade” ambany ao Bazary kely ireo mpivarotra ankehitriny.

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

22/07/2019

Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatolampy ny raharaha mahakasika ilay fiara tapaka hisatra nahafaty olona roa avy namonjy lanonam-panambadiana.

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Trafika eto an-drenivohitra 14 tapitrisa ariary ny vidin’ny basy teny Tanjombato

02/07/2019

Tafiditra tao anaty vela-pandriky ny haraton’ny mpitandro ny filaminana teny Tanjombato ny basy “PA MAB” iray niaraka tamin’ny bala miisa 13 saika hamidy 14.000.00Ariary.

 

 

 

 

Lehilahy roa no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny “Commissariat Central” Tanjombato, ny alahady 30 jona   lasa teo tokony ho tamin’ny 03 ora hariva teny Ambaniandrefana Tanjombato. Ny  faran’ny volana jona teo dia nahazo loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy miasa ao amin’ny  kaomisarian’i Tanjombato fa misy tovolahy roa avy any amin’ny faritra Antsobolo sy Ambohibahiny Tanjombato mivarotra fitaovam-piadiana eny amin’iny faritra Tanjombato sy ny manodidina  iny. Natao  avy hatrany ny fanarahan-dia sy ny vela-pandrika tamin’ny fisavana ireo moto nifamezivezy, araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena Malagasy. Vokany, tovolahy roa no tra-tehaka. Nentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana teny amin’ny toeram-piasan’ny polisy teny Tanjombato izy roalahy ka fantatra tamin’ny famotorana ary fa amidy 14 tapitrisa ariary ilay  basy MAB. Tafataporitsaka kosa ilay olona saika hividy.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana