Dans la mme rubrique

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

23/07/2019

«Bevohoka ilay zazavavy 14 taona, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpanolana». Io no vaovao ofisialin’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fanolanana nitranga tao Manjakandriana.

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

23/07/2019

Fiara lehibe iray no nanitsaka zazavavy kely roa taona teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 11 + 800 ny 18 jolay sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana.

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

23/07/2019

Tanora kaomorianina mpandranto fianarana no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tamin’ny fikasana hanao trafikana zavamahadomelina vokatra eto Madagasikara hamatsiany ny olompirenena any amin’izy ireo.

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

23/07/2019

Mitohy ny fanatonan’ny tafika Malagasy ny mponina ho fampandriana ny fahalemana na an-dalam-piovana aza ny governemanta.

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

Hamaky ny tohiny...

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

22/07/2019

Voafonja sy mpandraharaha ny fonja iray avy naratra nandritra ny ora roa mahery, noho ny poa-basy sy tora-bato tao Ambalatavoahangy.

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

Hamaky ny tohiny...

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

22/07/2019

Manahy fandorana niniana natao tamin’ilay fahamaizan’ny tsena “Esplanade” ambany ao Bazary kely ireo mpivarotra ankehitriny.

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

22/07/2019

Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatolampy ny raharaha mahakasika ilay fiara tapaka hisatra nahafaty olona roa avy namonjy lanonam-panambadiana.

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Disadisam-piarahamonina Nadoboka am-ponja ireo mpanindrona voamaso

02/07/2019

Ahiana ho lonilonim-piarahamonina no nahatonga ireo andian’olona nanindrona maso ny lehilahy iray. Any am-ponja ireo telo tamin’izy ireo no miandry ny fitsarana azy ireo.

 

 

 

Ny  25 may 2019 lasa teo, nisy olona nanao angaredona ny  lehilahy iray teny amin’ny faritra ‘‘La Réunion  kely» Ampefiloha  ka nanesoran’izy ireo ny maso havian’ilay tovolahy. Nitory teny anivon’ny  polisy  avy ao amin’ny sampana ady heloka bevava sakelika faharoa ilay lehilahy ka natomboka ny fanadihadiana.  Ny zoma 28 jona no tra-tehaka tetsy Ampefiloha ny  olona efatra tamin’izy ireo. Fantatra  fa ny lehilahy iray no nitazona sy nandavo azy tamin’ny tany, ny ramatoa iray no nanolotra ilay  vy maranitra  ary ny lehilahy iray nanindrona ny mason’ilay tovolahy. Nisy ihany koa vehivavy iray nosamborina saika hanodraka azy tamin’ny rano mangotraka. Araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena, ireo fanindronana voamaso sy fikasana fanondrahana rano mahamay be ihany no nataon’izy ireo fa tsy nisy halatra velively. Natolotra ny fampanoavana izy ireo ka ny 3 naiditra am-ponja vonjimaika fa nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny 1.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana