Dans la mme rubrique

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

20/08/2019

Niaro ny tenany sy ny fananany ny vahoaka. Nandiso ny vaovao niely, omaly, mahakasika ny fitsaram-bahoaka tany Tsarabia, Vohémar ny mpitandro filaminana any an-toerana. Nilaza ireto farany fa fiarovan-tenan’ny mponina no tena marina na “légitime defense”.

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

20/08/2019

«Amin’ny alarobia ho avy izao no hanome ny tohin’ny vaovao izahay mpitandro filaminana mikasika ilay raharaha Ambolomadinika, Toamasina”, hoy ny zandary avy ao amin’ny sampana mpanao fanadihadiana sy famotorana Toamasina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay.

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

Hamaky ny tohiny...

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

20/08/2019

Efa eo an-dalam-pisamborana ilay nahavanon-doza an’ilay famonoana lehilahy vao vita mariazy nefa tsy niaina volan-tantely akory ny mpitandro filaminana, raha ny tafa manokan’ny mpanao gazetinay tamin’ny zandarin’ny OPS Bongolava, omaly atoandro.

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

Hamaky ny tohiny...

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

19/08/2019

9 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Olona efatra naratra voafira tamin’ny famaky, 16 ka hatramin’ny 50 taona ireo lasibatra. Ireo no vokatry ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ny zoma

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

Hamaky ny tohiny...

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

19/08/2019

Antitra vao hiditra am-ponja ! Zokiolona efa enimpolo taona mahery lahy sy vavy no tra-tehaky ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny rongony 2 gony.

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

19/08/2019

Ny 14 aogositra lasa teo, tovolahy roa tsy ampy taona no voasambotry ny polisy miasa ao Mangarano Toamasina noho ny halatra moto. Tamin’io andro voalaza io tao anatin’ny faritra

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

Hamaky ny tohiny...

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fiaraha-miasan’ny mponina sy zandary ao Fenoarivobe Omby 4 tamin’ireo 15 lasan’ny dahalo no tafaverina

01/07/2019

Omby 15 no lasan’ny dahalo tao amin’ny kaominina Mangatany ka avotry ny mpanara-dia nifandrombonan’ny mponina tany an-toerana sy ny zandary ny efatra tamin’ireo.

 

 Nitrangana halatra omby tao Ambarialoha, Mangatany, distrikan’i Fenoarivobe, ny takarivan’ny

zoma 28 jona, tokony ho tamin’ny 6 ora. Nampandre ny zandarimariam-pirenena tany an-toerana ny ben’ny tanàna lefitra ao amin’io kaominina ambanivohitra io. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena teo Ankadilalana. Dahalo 11 ireo tonga nanafika ny fianakaviana iray teo Ambarialoha ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny omby 15. Tsy afa-nanohitra anefa ireo mponina teo an-toerana noho ny hery tsy mitovy. Nitondra fitaovam-piadiana tahaka ny basy telo sy zava-maranitra maro ireo Malaso. Nampandre ny manampahefana teo an-toerana izay nampita ny vaovao

tany amin’ny miaramilan’ny zandary no hany nataon’ireo mpiray monina. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandary dimy lahy. Ireto farany ihany koa nampandre ireo mpitandro filaminana

tamin’ny manodidina, indrindra hifehy ny kizo falehan’ny dahalo mandroaka omby halatra. Avotra noho izany ny omby efatra fa mbola mitohy hatrany kosa ny fanarahan-dia ikarohana ireo 11

sisa.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana