Dans la mme rubrique

Toekarena maneran-tany Mitotongana hatrany

20/08/2019

Miha miadam-pamindra hatrany ny toekarena iraisam-pirenena. Hita taratra izany miainga hatrany amin’ireo firenena matanjaka izay hita ho samy miaro ny rambony tsy ho tapaka amin’izao fotoana izao.

Toekarena maneran-tany Mitotongana hatrany

Hamaky ny tohiny...

Donald Trump Mandrahona ny hiala ao amin’ny OMC

20/08/2019

Nanambara ny filoha Amerikanina Donald Trump fa manome vahana loatra an’i Sina ny Fikambanana Iraisam-pirenena ny Varotra (OMC) ary raha mbola mitohy izany dia hiala tsy ho mpikambana ao i Etazonia.

Donald Trump Mandrahona ny hiala ao amin’ny OMC

Hamaky ny tohiny...

Polisy manararao-pahefana any amin’ny faritra Tokony hodinihina eny amin’ny parlemanta, hoy ny SMM

08/08/2019

Mitaraina amin’ny fanararaom-pahefana ataon’ny polisy, indrindra fa any amin’ny faritra ireo olona nametraka fitarainana fa diso tafahoatra loatra ny fanararaotana fahefana ataon’izy ireo.

Polisy manararao-pahefana any amin’ny faritra Tokony hodinihina eny amin’ny parlemanta, hoy ny SMM

Hamaky ny tohiny...

Sina Nampiato ny fitsangantsanganana mankany Taiwan

01/08/2019

Namoaka fanambarana ny firenena Sinoa omaly, milaza fa haato ny fandefasana mpizahatany sinoa hitsidika an’i Taiwan.

Sina Nampiato ny fitsangantsanganana mankany Taiwan

Hamaky ny tohiny...

Mohammed VI-Mpanjakan’i Maraoka Feno 20 taona nitondrana

31/07/2019

Nanamarika ny faha-20 taona nitondrany ny satroboninahiny ny mpanjaka Mohammed VI omaly.

Mohammed VI-Mpanjakan’i Maraoka Feno 20 taona nitondrana

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana tetezamita ao Soudan 246 ireo namoy ny ainy

31/07/2019

Mpianatra amin`ny lisea miisa dimy no maty voatifitry ny basy, ny alatsinainy lasa teo, noho ny fanaovana fihetsiketsehana tao Al-Obeid ao Soudan.

Fitakiana tetezamita ao Soudan 246 ireo namoy ny ainy

Hamaky ny tohiny...

Indostria nomerika maneran-tany Ho tataovan-ketra amin’izay

19/07/2019

Nahita marimaritra iraisana ny amin’ny fomba hakana hetra amin’ireo orinasa goavana miasa momba ny nomerika ireo minisitry ny vola avy amin’ny firenena 7 manankarena indrindra eto ambonin’ny tany izay nivory tany Chantilly – Paris Frantsa omaly.

Indostria nomerika maneran-tany Ho tataovan-ketra amin’izay

Hamaky ny tohiny...


Any Ivelany

Toekarena Amerikanina Mitotongana noho ny politikan’i Donald Trump

01/07/2019

Nahitana fiakarana 3.1% ny fitombon’ny harinkaren’i Etazonia tamin’ny telovolana voalohan’ity taona 2019 ity.

 

Amin’ny ankapobeny dia azo lazaina fa salama tsara ny toekarena any an-toerana raha ny  tondro  toy ny tahan’ny tsy fananan’asa  (taux de chômage), izay ambany indrindra sy ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana (inflation) izay saika tsy nisy mihitsy no jerena. Tsy dia mandroso araka ny eritreretin’ny filoham-pirenena Donald Trump ny toekarena satria io tarehimarika voalaza teo aloha io dia efa hita nandritra ny 10 taona lasa. Araka ny voalazan’ny mpandinika ara-toekarena dia anisan’ny mampihisatra ny toekarena any an-toerana ny tombony amin’ny famokarana na ny « gain de productivité » izay ambany dia ambany satria tsy mifanaraka amin’ny vokatra azo ny vola lany amin’ny fandoavana karama ho an’ireo mpiasa sy ny adidy atao amin’izy ireo toy ny fiantohana ara-pahasalama sy ny fanomanana ny fisotroan-dronono. Eo ihany koa ny fanadihadiana momba ny « démographie » izay mampiseho fa mitombo ny isan’ireo mponina tokony hiditra eo amin’ny tontolon’ny asa nefa tsy tafiditra. Ny fanovana ny rafitra fandoavan-ketra izay nanena ny hetra aloan’ireo orinasa mba hahafahany miroborobo nataon’ny filoha Trump dia nampihena hatramin’ny 6% ny vola tokony hiditra ka nampidina mihitsy  ny PIB tany an-toerana. Tetsy an-daniny ny tsy fampiakarana ny tahiry (reserve federal) tamin’ny banky foibe tany an-toerana sy ny taux directeur dia nanimba ny toekarena. Tsara ny manamarika fa ny reserve fédérale dia tsy miankina amin’ny fanjakana toy ny eto Madagasikara fa mahaleotena tanteraka ny any  kanefa io no mamolavola  ny politika ara-bola any an-toerana. Taorian’ny krizy ara-bola tamin’ny taona 2008 dia naraha-maso ny tahan’ny fitrosana (taux d’endettement) ho an’ny amerikanina ary fantatra taorian’ny fanadihadiana fa  nihodinkodina teo amin’ny 4-5% eo ny tahan’ny zana-bola alaina amin’ny tokantrano mba te hanao fampindramam-bola. Lafo izany ary nampihena ny fanaovan’ny olon-tsotra fampindramam-bola tany an-toerana. Tsy mampihena ny fanjifana (consommation) tany an-toerana anefa satria ny 2/3-n’ny toekarena amerikanina dia avy amin’ny fanjifana anatiny (demande intérieure) ary ny 80%-n’ny fanjifana dia ataon’ireo olona manankarena izay manome 20% ny mponina any an-toerana. Hanamelohan’ny amerikanina maro ny politika ara-toekaren’ny filoha Trump izany satria tsy vitan’ny mampitombo ny tsy fitoviana eo amin’ny olona mahantra sy ny manana izy fa sady mitazona be ny politika mikatona amin’ny firenena ivelany na dia ilaina aza.

Tsirinasolo

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana