Dans la mme rubrique

A-B-C-D-F

29/07/2019

Malaza ankehitriny ny fanamboarana ny rafi-pampianarana eto amintsika. Anisan'izany ny fanovana ny tetiandrom-pampianarana, ny fanafoanana ny fanadinana CEPE ary ireo zavatra maro hafa.

A-B-C-D-F

Hamaky ny tohiny...

Zaza kanto sy mandroso

22/07/2019

Tena mahafinaritra ny fitondrana ireo zandry kely mpihira mitety tany sady manohana ny ekipa Malagasy.

Zaza kanto sy mandroso

Hamaky ny tohiny...

Ny tena andraikitra no tokony horaisina

27/06/2019

Tsara avokoa ny endrika ivelany naseho nandritra iny fetim-pirenena iny.

Ny tena andraikitra no tokony horaisina

Hamaky ny tohiny...

Fa inona moa marina moa ny « politika » ?

06/06/2019

Maro amintsika no diso hevitra momba ny politika eto Madagasikara sy eto Afrika.

Fa inona moa marina moa ny « politika » ?

Hamaky ny tohiny...

Mijery ifotony

04/06/2019

Malaza ankehitriny ny fiteny hoe : “ IFOTONY” mba hambaboana ny vahoaka. I

Mijery ifotony

Hamaky ny tohiny...

Mijery ifotony

03/06/2019

Malaza ankehitriny ny fiteny hoe : “ IFOTONY” mba hambaboana ny vahoaka.

Mijery ifotony

Hamaky ny tohiny...

Tsara ny trano fa ny olona ao anatiny no tena mahasambatra !

29/05/2019

Miarahaba ny fanjakana isika mianakavy fa vita soa aman-tsara tokoa ny EPP iray anatin’ny 20.000 isa, tany Toamasina.

Tsara ny trano fa ny olona ao anatiny no tena mahasambatra !

Hamaky ny tohiny...


Hevi-petsin'ny Tia Tanindrazana

Fandresen’ny Malagasy rehetra

01/07/2019

Fifaliana no nandraisantsika mianakavy ny fandresena halina. Na teny an-dalambe na tany an-tokantrano, eny fa na ny teny amin’ny hopitaly ary dia nihoby sy nifaly daholo nahita ny vokatra 2-0 vita omaly.

 

 

Manan-tantara ny zava-bitan’ny Barea satria sady nandresy an’i Nizeria izay ekipa faha telo eto Afrika no tafiakatra amin’ny dingana ampahavalon-dalana amin’ny CAN. Ohatra lehibe tokony horaisintsika Malagasy tamin’ireny dia ny firaisankina. Satria rehefa miaraka tokoa dia maharesy ny zava-drehetra. Tsy nisy fanavahana ara-piaviana ka hilazana fa ny mpilalao avy any amin’ny faritra itsy no tena namiratra fa ny mpilalao rehetra no naira-niezaka ka nahazoana ireny vokatra ireny. Ary isika Malagasy rehetra no niaraka nitempo ka nanohana azy ireo. Tsy nisy ihany koa fanavahana ara-politika ka nilazana fa i ranona na i ranona no antom-pandresena satria dia efa nanomboka tamin’ny fitondrana teo aloha no nahazoana ny tapakila hilalaovana izao CAN izao.  Ary ny fitondrana teo aloha ihany koa no nahitana ireo mpilalao sy mpanomana ny ekipam-pirenentsika ankehitriny.

 

Fototra iaingana

 

Ny faniriana dia enga anie ho fototra hiaingantsika hiara-dia ka hibanjina ny ho avy ny fandresena tahaka ireny. Raha i Paul Kagame, izay vahinintsika vao tamin’ny fetim-pirenena tokoa mantsy no alain-tahaka, dia ny fampihavanam-pirenena no nataony voalohany vantany vao tonga teo amin’ny fitondrana izy. Najanony tanteraka ny fifanavakavahana nisy teo amin’ny foko TUTSI sy HUTU tao Rwanda. Ary natambany avokoa ny hevitra rehetra ka nibanjina manokana ny nahasoa ny vahoakany rehetra izy fa tsy nanana hevitra hamaly faty na hanimba ny olon-kafa. Mino sy manantena isika rehetra fa manomboka izao dia hiray hina isika Malagasy, ka fahavalo tokana no hiadivana, dia ny fahantrana lalina mahazo antsika.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana