Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fiarovana ny ain’ny mpitandro filaminana Afaka manadio ny kizo amin’ny tifi-davitra ny zandary

28/06/2019

Ny miaramila irery teo aloha no afaka manao tifi-davitra mandripaka anaty kizo. Nahazo ny fitaovana ahafahana manatanteraka ny lance-rockette koa ny zandary manomboka izao,

 

 araka ny fampitam-baovaon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Richard Ravalomanana, teo amin’ny Toby Andrefan’Ambohijanahary. Fitaovam-piadiana nampalaza ny Rosianina izy ity, izay mandripaka hatramin’ny ala manakona ny dahalo sy ny omby afenina anaty kirihitra. Nanindry ity manamboninahitra ambonin’ny zandary ity, ny talata teo fa fitaovam-piadiana maro hafa ihany koa tahaka ny « drône » sy ny basy azo hitifirana hatrany amin’ny 800 metatra noho ny heriny sy ny fahitsiny mba hahafahan’ny zandary miaro tena manoloana ny dahalo no azo. Midika izany fa hihena ny isan’ny zandary maty am-perinasa izay mifanehitra amin’ny jiolahy.

Hahery vaika koa ny dahalo

Etsy an-daniny, matetika ireo mpitandro filaminana na manampahefana ambony ihany no mamatsy fitaovam-piadiana ny dahalo ka afaka mifanahantsahana hatrany izy ireo. Ho fiarovana io fampanofana na fivarotana basy mahery vaika amin’ny malaso io, dia hataon’ny zandary ezaka ny fandraisana anarana ireo zandary mampiasa izany sy ny fanaraha-maso ny toerana sy ny fotoana ampiasana ireo fitaovana vaovao natolotry ny fitondram-panjakana ireo. Nohamafisin’ny lehiben’ny zandary fa tsy ho afa-bela ireo mpitandro filaminana tratra tamin’ny basy voangona. Tena dahalo tokoa ve ireo namerina fitaovam-piadiana an-tsokosoko sa fanamboarana ny saim-bahoaka ireo basy marobe natao ati-pako tsy misy arakaraka, mialoha izao fetim-pirenena izao ?

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana