Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana Tsiroanomandidy Mpandeha 6 maty nitsahan’ny fiarabe nikorisa tampoka

28/06/2019

Nitrangana loza mahatsiravina tao Andranovelona, kaominina Soanierana, distrikan’i Tsiroanomandidy, afak’omaly alina tamin’ny 10 ora latsaka kely.

 

 

 

Fiarabe feno vary akotry sy nitondra mpandeha 21 avy any Ambohitromby ho any Tsiroanomandidy no tra-pahavoazana. Araka ny vaovao ofisialy teo amin’ny zandarimariam-pirenena Ankadilalana, tamin’ny fotoana fakana rivotry ny mpandeha no nikorisa tampoka ilay fiara vaventy ka maty tsy tra-drano voahitsaka ny olon-dehibe telo sy ny zaza telo koa. Ireo roa naratra kosa nentina namonjy haingana ny mpitsabo tsy miankina izay tany an-toerana, Ankarahara Soanierana. Ireo zandary avy ao amin’ny paositra Soanierana no nandray an-tanana ny fanadihadiana sy ny fitsirihina ifotony ary ny fiambenana ireo entan’ny mpandeha sy ny vary. Nentina tany amin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena any amin’ny renivohitry ny Faritra Bongolava ilay mpamily sy ny mpanampy azy hanatanterahana ny fanadihadiana. Mbola eo am-piantsoana ireo fianakavian’ny maty ny zandary sy ny manampahefana any an-toerana. Marihina fa noho ny tahotra ny asan-dahalo dia tsy mandà mpandeha ireo fiara mpitatitra entana mba ho naman’izy ireo eny an-dalana. Vitsy koa ireo fiara mpitatitr’olona ka voatery mandeha fiarabe ireo mponina any ambanivohitra.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana