Dans la męme rubrique

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

20/08/2019

Niaro ny tenany sy ny fananany ny vahoaka. Nandiso ny vaovao niely, omaly, mahakasika ny fitsaram-bahoaka tany Tsarabia, Vohémar ny mpitandro filaminana any an-toerana. Nilaza ireto farany fa fiarovan-tenan’ny mponina no tena marina na “légitime defense”.

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

20/08/2019

«Amin’ny alarobia ho avy izao no hanome ny tohin’ny vaovao izahay mpitandro filaminana mikasika ilay raharaha Ambolomadinika, Toamasina”, hoy ny zandary avy ao amin’ny sampana mpanao fanadihadiana sy famotorana Toamasina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay.

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

Hamaky ny tohiny...

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

20/08/2019

Efa eo an-dalam-pisamborana ilay nahavanon-doza an’ilay famonoana lehilahy vao vita mariazy nefa tsy niaina volan-tantely akory ny mpitandro filaminana, raha ny tafa manokan’ny mpanao gazetinay tamin’ny zandarin’ny OPS Bongolava, omaly atoandro.

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

Hamaky ny tohiny...

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

19/08/2019

9 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Olona efatra naratra voafira tamin’ny famaky, 16 ka hatramin’ny 50 taona ireo lasibatra. Ireo no vokatry ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ny zoma

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

Hamaky ny tohiny...

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

19/08/2019

Antitra vao hiditra am-ponja ! Zokiolona efa enimpolo taona mahery lahy sy vavy no tra-tehaky ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny rongony 2 gony.

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

19/08/2019

Ny 14 aogositra lasa teo, tovolahy roa tsy ampy taona no voasambotry ny polisy miasa ao Mangarano Toamasina noho ny halatra moto. Tamin’io andro voalaza io tao anatin’ny faritra

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

Hamaky ny tohiny...

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...


Tranga

ANTOHOMADINIKA Mpanao sinto-mahery 6 tra-tehaky ny polisy

27/06/2019

Zatovolahy 6 no hiakatra fampanoavana anio alakamisy 27 jona noho ny raharaha fanendahana nanararaotra ny hamaroan’ny olona tao anaty fety. Ny talata maraina vao mangiran-dratsy sahabo ho

 

 

 

tamin’ny 5 ora maraina, andian-jiolahy enina mpanendaka teo amin’ny fiantsonana sy fandraisana fiara mihazo an’i Mahitsy teo Antohomadinika no ravan’ny polisy tao Antaniavo.

Marihina fa zatovo ao anatin’ny heriny ireto mpanao ratsy ireto, ny telo tsy ampy taona, ny roa vao feno 18 taona ary ny iray kosa 22 taona. Nanararaotra ny hamaroan’ny mpandeha avy any Mahitsy

Ambohidratrimo izay hiantsena ny fetim-pirenena izy ireo. Nisy tamin’ireo mpandeha avy any amin’ny renivohitry ny atody no tratran’ny sinto-mahery ny sakaosy nisy vola sy ny akanjo ary ny

kojakoja. Niantso vonjeo ilay lasibatra ka nifanenjehan’ny polisy izay tsy nanao fanamiana ka tra-tehaka tsy lavitra teo ny telo izay tratra ambodiomby fa ny ambiny telo hafa kosa mbola nifanjevoana

kanefa tsy namelan’ireo mpitandro filaminana raha tsy azony koa. Efa nampintaraina mpandeha maro, indrindra ireo avy any Mahitsy iny faritra Antohomadinika iny tato ho ato.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana