Dans la męme rubrique

A-B-C-D-F

29/07/2019

Malaza ankehitriny ny fanamboarana ny rafi-pampianarana eto amintsika. Anisan'izany ny fanovana ny tetiandrom-pampianarana, ny fanafoanana ny fanadinana CEPE ary ireo zavatra maro hafa.

A-B-C-D-F

Hamaky ny tohiny...

Zaza kanto sy mandroso

22/07/2019

Tena mahafinaritra ny fitondrana ireo zandry kely mpihira mitety tany sady manohana ny ekipa Malagasy.

Zaza kanto sy mandroso

Hamaky ny tohiny...

Fandresen’ny Malagasy rehetra

01/07/2019

Fifaliana no nandraisantsika mianakavy ny fandresena halina. Na teny an-dalambe na tany an-tokantrano, eny fa na ny teny amin’ny hopitaly ary dia nihoby sy nifaly daholo nahita ny vokatra 2-0 vita omaly.

Fandresen’ny Malagasy rehetra

Hamaky ny tohiny...

Fa inona moa marina moa ny « politika » ?

06/06/2019

Maro amintsika no diso hevitra momba ny politika eto Madagasikara sy eto Afrika.

Fa inona moa marina moa ny « politika » ?

Hamaky ny tohiny...

Mijery ifotony

04/06/2019

Malaza ankehitriny ny fiteny hoe : “ IFOTONY” mba hambaboana ny vahoaka. I

Mijery ifotony

Hamaky ny tohiny...

Mijery ifotony

03/06/2019

Malaza ankehitriny ny fiteny hoe : “ IFOTONY” mba hambaboana ny vahoaka.

Mijery ifotony

Hamaky ny tohiny...

Tsara ny trano fa ny olona ao anatiny no tena mahasambatra !

29/05/2019

Miarahaba ny fanjakana isika mianakavy fa vita soa aman-tsara tokoa ny EPP iray anatin’ny 20.000 isa, tany Toamasina.

Tsara ny trano fa ny olona ao anatiny no tena mahasambatra !

Hamaky ny tohiny...


Hevi-petsin'ny Tia Tanindrazana

Ny tena andraikitra no tokony horaisina

27/06/2019

Tsara avokoa ny endrika ivelany naseho nandritra iny fetim-pirenena iny.

 

 

 Ny fiara, ny fandraisana, ny fety sy ny ivelany rehetra e ! Ary dia nahatsiaro ho nahavita tokoa ireo tompon'andraikitra ka arahabaina tokoa raha izay no voninahitra tena katsahiny.

Fa ny tena andrasana indrindra amin'ny mpitondra anie ka ny fanasoavana ny vahoaka e ! Hiaro azy amin'ireo loza maro isan-karazany. Akory ny alahelo raha naheno fa maro ireo Malagasy namoy ny ainy nandritry ny fifanosehana omaly teny Mahamasina. 

Nahoana ny fanjakana no tsy mitaiza sy manabe ny vahoaka hifanaja sy hilamina ? Adidiny indrindra izany ary manana ireo haino aman-jeriny izy hanaparitahana ny hevitra tsara rehetra. Indrisy fa zary lasa fitaovana hanehoana endrika ivelany sy tahaka ny fanaovana propagandy fotsiny ny TVM sy ny RNM. Tahaka izany ihany koa no andrasana manoloana ireo lozam-pifamoivoizana maro mitranga etsy sy eroa. Mila beazina ny vahoaka mpampiasa ny lalana fa tsy sanatria mody mandefa taratasy fiaraha-miory sy mody mandeha mamangy eny amin'ny hopitaly no asan'ireo tompon'andraikitra. Eto am-pamaranana dia antenaina fa horaisin'ireo mpitantana izao soso-kevitra izao. Ary iriana indrindra mba tsy hionona amin'ny endrika ivelany sy hitady voninahitra fotsiny izy ireo fa tena hijery izay tena mahasoa ny Malagasy.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana