Dans la mme rubrique

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

23/07/2019

«Bevohoka ilay zazavavy 14 taona, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpanolana». Io no vaovao ofisialin’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fanolanana nitranga tao Manjakandriana.

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

23/07/2019

Fiara lehibe iray no nanitsaka zazavavy kely roa taona teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 11 + 800 ny 18 jolay sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana.

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

23/07/2019

Tanora kaomorianina mpandranto fianarana no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tamin’ny fikasana hanao trafikana zavamahadomelina vokatra eto Madagasikara hamatsiany ny olompirenena any amin’izy ireo.

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

23/07/2019

Mitohy ny fanatonan’ny tafika Malagasy ny mponina ho fampandriana ny fahalemana na an-dalam-piovana aza ny governemanta.

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

Hamaky ny tohiny...

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

22/07/2019

Voafonja sy mpandraharaha ny fonja iray avy naratra nandritra ny ora roa mahery, noho ny poa-basy sy tora-bato tao Ambalatavoahangy.

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

Hamaky ny tohiny...

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

22/07/2019

Manahy fandorana niniana natao tamin’ilay fahamaizan’ny tsena “Esplanade” ambany ao Bazary kely ireo mpivarotra ankehitriny.

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

22/07/2019

Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatolampy ny raharaha mahakasika ilay fiara tapaka hisatra nahafaty olona roa avy namonjy lanonam-panambadiana.

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana RN7 Ambalavao Atsimondrano Maty tsy tra-drano ilay mpamily fiarabe

25/06/2019

Nitrangana loza nahatsiravina teo Mananasy, Kaominina Ambanivohitra Ambalavao, distrika Atsimondrano, afak’omaly alahady tokony ho tamin’ny 9ora maraina.

 

Maty tsy tra-drano ilay mpanamory vao 40 taona. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, teo amin’ny Pk 29 + 20, tamin’ny lalam-pirenena faha-7 no niseho ny loza. Raha iny hihazo fidinana iny ilay fiara lehibe nitondra vary an-taonina maro ka nanitsaka hisatra ilay mpamily, kinanjo efa tsy tao intsony ilay tsako kodiarana. Araka ny volazan’ireo  mpiray dia taminy izay naratra, foana ny rivotra ka lasa tanteraka ny hisatra tamin’ny fotoana nilana azy. Io sampona ara-mekanika io no fototry ny loza ka nirimoromo ambavaloza, nivarina tanteraka tany anaty hantsana ilay fiara mpitatitr’entana. Nentina avy hatrany tao amin’ny CSB 2,  tao Ambalavao ireo niharan’ny loza ka rehefa avy nozahan’ny mpitsabo ilay razana dia nomena ny fianakaviany nentina nankany Ivory, Antsirabe. Ireo tsy salama kosa izay avy any Ambohimandroso Antanifotsy sy Anosizato dia notsaboin’ireo dokotera teny an-toerana ary tsy misy ahiana ny ainy. Ny zandary avy ao amin’ny paositra Ambalavao no nandray an-tanana ny raharaha.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana