Dans la mme rubrique

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

23/07/2019

«Bevohoka ilay zazavavy 14 taona, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpanolana». Io no vaovao ofisialin’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fanolanana nitranga tao Manjakandriana.

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

23/07/2019

Fiara lehibe iray no nanitsaka zazavavy kely roa taona teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 11 + 800 ny 18 jolay sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana.

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

23/07/2019

Tanora kaomorianina mpandranto fianarana no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tamin’ny fikasana hanao trafikana zavamahadomelina vokatra eto Madagasikara hamatsiany ny olompirenena any amin’izy ireo.

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

23/07/2019

Mitohy ny fanatonan’ny tafika Malagasy ny mponina ho fampandriana ny fahalemana na an-dalam-piovana aza ny governemanta.

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

Hamaky ny tohiny...

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

22/07/2019

Voafonja sy mpandraharaha ny fonja iray avy naratra nandritra ny ora roa mahery, noho ny poa-basy sy tora-bato tao Ambalatavoahangy.

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

Hamaky ny tohiny...

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

22/07/2019

Manahy fandorana niniana natao tamin’ilay fahamaizan’ny tsena “Esplanade” ambany ao Bazary kely ireo mpivarotra ankehitriny.

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

22/07/2019

Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatolampy ny raharaha mahakasika ilay fiara tapaka hisatra nahafaty olona roa avy namonjy lanonam-panambadiana.

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fahaverezan’i Finoana Birao amoron-dranomasina no nitondrana azy

25/06/2019

Araka ny fampitam-baovaon’ireo mpiara-mivavaka amin’i Finoana, misy birao efa fandraisan’olona mihitsy ireo mpanondrana olona izay naka an-keriny ity tovolahy 17 taona ity, araka ny tafa nifanaovan’izy ireo.

 

 

 

Tsy eo amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny toeram-piasan’ny mpanao ratsy, araka ny fampitam-baovaon’ny mpiara-mihira tamin’ity zanaky ny faritra Sabotsy Namehana ity izay nisy naka avy nianatra ny alatsinainy heriny hariva, 17 jona 2019, tamin’ny 5 ora sy sasany teo. Voalazan’ny lasibatra tamin’ireo indray mihira taminy mantsy fa tsy teo amin’ny seranan-tsambon’ny Renivohitra Boina izany. Mbola nandeha lavitra izy vao nahita mpitandro filaminana, raha niala ilay sisin-dranomasina izay saika hanondranan’ireo azy, ny alakamisy 20 jona maraina teo. Araka ny famakafakan’ireo mpiray fiangonana azy ireo, mihevitra ireto farany fa eo am-panamarinana ny ivontoeram-panondranana olona an-tsokosoko ny mpitandro filaminana izay manatanteraka ny fanadihadiana ary ny famotorana. Araka ny loharanom-baovao tamin’ny fanadihadiana lalina hatrany, tsy olona iray no miasa amin’izany. Ankoatra ireo mpisambotra sy mpitondra ireo babo dia efa misy mpandray sy mpanamarina tahaka ilay nijery ny ativavan’ity mpianatry ny teknika ao amin’ny taona faharoa ity. Araka ny angom-baovao hatrany, malina amin’ny fampitam-baovao ireo fianakaviana ka tsy dia ahitana vaovao mipika loatra ny antsipirihany, indrindra ny fomba nisamborana sy nitondrana ity tovolahy very ka hita indray ity.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana