Dans la mme rubrique

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

23/07/2019

«Bevohoka ilay zazavavy 14 taona, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpanolana». Io no vaovao ofisialin’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fanolanana nitranga tao Manjakandriana.

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

23/07/2019

Fiara lehibe iray no nanitsaka zazavavy kely roa taona teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 11 + 800 ny 18 jolay sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana.

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

23/07/2019

Tanora kaomorianina mpandranto fianarana no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tamin’ny fikasana hanao trafikana zavamahadomelina vokatra eto Madagasikara hamatsiany ny olompirenena any amin’izy ireo.

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

23/07/2019

Mitohy ny fanatonan’ny tafika Malagasy ny mponina ho fampandriana ny fahalemana na an-dalam-piovana aza ny governemanta.

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

Hamaky ny tohiny...

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

22/07/2019

Voafonja sy mpandraharaha ny fonja iray avy naratra nandritra ny ora roa mahery, noho ny poa-basy sy tora-bato tao Ambalatavoahangy.

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

Hamaky ny tohiny...

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

22/07/2019

Manahy fandorana niniana natao tamin’ilay fahamaizan’ny tsena “Esplanade” ambany ao Bazary kely ireo mpivarotra ankehitriny.

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

22/07/2019

Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatolampy ny raharaha mahakasika ilay fiara tapaka hisatra nahafaty olona roa avy namonjy lanonam-panambadiana.

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Hiasa maharitra ve ireo « caméra de surveillance » ?

25/06/2019

Resabe amin’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery ny fametrahan’ny fitondram-panjakana « caméra de surveillance » amin’ireo toerana lalovan’ny manampahefana sy ilay filoham-pirenena teratany vahiny ho avy hankalaza ny fetim-pirenena rahampitso.

Mitosaka amin’ny tambajotram-piarahamonina, indrindra ny facebook fa lafo vidy noho ny ain’ny Malagasy maro ny filoham-pirenena vahiny iray tahaka an’i Paul Kagamé. Manamafy izany ireo fidirana mivantana amin’ny haino aman-jery, indrindra amin’ny onjam-peo fa efa maro ny antso natao tamin’ny fitondrana, fony vao nijoro, amin’ny hametrahana ireny fakana sarimihetsika ireny manerana ny elakela-trano sy ny arabe, indrindra teto an-drenivohitra saingy tsy nisy akony. Gaga anefa ny mpanara-baovao fa rehefa ny filoham-pirenena  Rwandais no tonga dia tanteraka tsy nisy nangataka izany. Nisy fotoana nirongatra ny fakana an-keriny sy ny fanendahana mitam-piadiana ka efa saika faritra mena avokoa teto Antananarivo, indrindra ny 100 andro voalohany nitondran’ny filoha ankehitriny. Mampitaraina ireo mponina ihany koa ny fanjavonana ankizy, indrindra ireo zazalahy kely lasan’ireo mpaka an-keriny raha tsy hitanisa afa tsy ilay zaza lahikely teny 67ha navotan’ny zandary tamin’ny vola iray sakaosy, Ny Avo avy eny Antehiroka hita faty ary ity tovolahin’ny Sabotsy Namehana iandrasana vaovao ofisialy ity. Tsy azo lavina fa mahay mandray vahiny ny Malagasy saingy mpanara-baovao maro no miandrandra fa hitohy aorian’ny fetim-pirenena izao fametrahana « caméra de surveillance » manerana ny tanàna izao.Ho tanteraka tokoa ve izany sa…. ?

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana