Dans la mme rubrique

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

23/07/2019

«Bevohoka ilay zazavavy 14 taona, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpanolana». Io no vaovao ofisialin’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fanolanana nitranga tao Manjakandriana.

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

23/07/2019

Fiara lehibe iray no nanitsaka zazavavy kely roa taona teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 11 + 800 ny 18 jolay sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana.

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

23/07/2019

Tanora kaomorianina mpandranto fianarana no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tamin’ny fikasana hanao trafikana zavamahadomelina vokatra eto Madagasikara hamatsiany ny olompirenena any amin’izy ireo.

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

23/07/2019

Mitohy ny fanatonan’ny tafika Malagasy ny mponina ho fampandriana ny fahalemana na an-dalam-piovana aza ny governemanta.

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

Hamaky ny tohiny...

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

22/07/2019

Voafonja sy mpandraharaha ny fonja iray avy naratra nandritra ny ora roa mahery, noho ny poa-basy sy tora-bato tao Ambalatavoahangy.

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

Hamaky ny tohiny...

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

22/07/2019

Manahy fandorana niniana natao tamin’ilay fahamaizan’ny tsena “Esplanade” ambany ao Bazary kely ireo mpivarotra ankehitriny.

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

22/07/2019

Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatolampy ny raharaha mahakasika ilay fiara tapaka hisatra nahafaty olona roa avy namonjy lanonam-panambadiana.

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanafihana atoandro teny 67ha Olona niara-nihinana lasopy taminy no namono ilay lehilahy

25/06/2019

“Nandalo izahay no nitsipatsipaka niala aina ilay mpitondra moto, rehefa avy notifirin’ireo jiolahy”, hoy ny mpandalo nanatri-maso. Re avy eo fa mpikirakira ara-barotra (agent commercial) an’ny orinasa JB ity lehilahy mbola tanora izay maty voatifitra ity.

 

 

 Olona niara-nihinana lasopy taminy tao amin’ny toeram-pisakafoanana Sinoa iray teo an-toerana ihany no namono azy. Ny kitapo teny aminy sy ny scooter izay nentiny no lasan’ireo olon-dratsy miisa roa izay heverina fa mahafantatra azy ihany. Nitondra vola tamin’ny sakaosy ity lasibatra no notanarahan’ireo jiolahy ka izao namoy ny ainy izao, raha ny resaka nandeha. Noho ny hery tsy mitovy, nitazam-potsiny ireo mpandalo sy ny  mponina teny amin’ny  faritra 67ha. Efa nanjavona niaraka tamin’ilay scooter sy ny vola ireo jiolahy vao tonga ny polisy noho ny fahataran’ny antso. Raha nitafa manokana tamin’ny mpitandro filaminana dia nilaza izy ireo fa mbola manatanteraka ny fizahana sy ny fanarahan-dia ny polisy eo 67ha. Amin’izao ankatoky ny fety izao, mirongatra ny tsy fandriampahalemana, ankoatra ny fanjavonana zaza. Nahazo vahana indray ny fanafihana mitam-piadiana. Mihevitra ny mpanara-baovao fa vitsy loatra ireo mpitandro filaminana manao fanamiana sivily. Na tsy manao akanjo ana mpitandro filaminana aza izy ireo dia fantatry ny jiolahy tahaka ny hety volo.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana