Dans la mme rubrique

Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana Tsy laharam-pahamehana ny fangatahana fiara 4x4

23/07/2019

Taorian’ny fifidianana ireo birao maharitra teny amin’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza,

Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana Tsy laharam-pahamehana ny fangatahana fiara 4x4

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

23/07/2019

Omaly alatsinainy 22 hatramin’ny sabotsy 27 jolay ho avy izao no hankalazana amin’ny fomba ofisialy ny faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona.

Antenimierandoholona Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

Hamaky ny tohiny...

Famafazam-bola amin’ny fifidianana Afa-bela hatrany ny mpividy fahefana

23/07/2019

Manjaka eto Madagasikara ny aferafera maloto sy ny zavatra tsy mangarahara izay ny mpitondra no lohalaharana amin’izany.

Famafazam-bola amin’ny fifidianana Afa-bela hatrany ny mpividy fahefana

Hamaky ny tohiny...

Jean-Jacques Rabenirina "Mila fanatsarana ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna"

23/07/2019

"Maniry ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona indrindra eo amin' ny kalitaon'ny asa",

Jean-Jacques Rabenirina "Mila fanatsarana ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna"

Hamaky ny tohiny...

Serge Zafimahova–Dinike “Ataovy aloha ny fifidianana lalàmpanorenana”

23/07/2019

Tsy tokony hotanterahina aloha ny fifidianana kaominaly sy ny Ben’ny tanàna, hoy i Serge Zafimahova avy amin’ny vovonana Dinike, fa ny fifidianana lalàmpanorenana aloha no tokony hatao voalohany,

Serge Zafimahova–Dinike “Ataovy aloha ny fifidianana lalàmpanorenana”

Hamaky ny tohiny...

Adin’ny samy manampahefana Atao hazalambo i Rivo Rakotovao

23/07/2019

Nambaran’ny fahampahalalam-baovao mpanohana ny fitondrana omaly, fa manao fanjakana kely ao anaty fanjakana be ny antenimierandoholona ary mifanohitra amin’ny sata Repoblikanina ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ity andrim-panjakana ity,

Adin’ny samy manampahefana Atao hazalambo i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny fanoherana Misy zavatra mbola hokitihina indray

23/07/2019

Hisy fivoriana manokana avy hatrany eny amin`ny Antenimieram-pirenena ka ny lahadinika dia ny hanitsiana ny lalàna n°2011-013 natao tamin’ny 9 septambra 2011 izay mifehy ny satan’ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra.

Lalàna mifehy ny fanoherana Misy zavatra mbola hokitihina indray

Hamaky ny tohiny...


Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Manamafy ireo fiaraha-miombon’antoka

25/06/2019

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara ny Komity mpitantana izany, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Rtoa Violette Kakyomya,

 

 

 solontena maharitry ny firenena mikambana eto Madagasikara. Hisy ny rindran-teny horaiketina an-tsoratra, hiomanana amin’ny mety hahazoana famatsiana ho an’ireo tetikasa voakasiky ny andiany faharoa. Nohamafisin’ny Praiminisitra fa nanomboka ny taona 2016 ary hatramin’ity taona 2019 ity dia efa nisitraka io famatsiana io, izay mitenina 11.5 tapitrisa dolara Amerikanina  isika eto Madagasikara. Ankoatra io, dia nitsidika tamim-pomba fifanajana azy ihany koa ny delegasiona avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, notarihin-dRtoa Coralie Gevers, Tale miandraikitra an’i Madagasikara. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny fifanakalozana, ka isan’izany ny fijerena ireo paika afaka hanohanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny fitondram-panjakana. Nohararaotin’i Coralie Gevers izany nampahafantarany ny Praiminisitra ny ho mpandimby azy, noho ny fahavitan’ny fe-potoam-piasany nandritra ny 5 taona, ka handray ny asany Rtoa Marie-Chantal Uwanyiligira ny volana septambra ho avy izao, ary dia hanohy ny fifanakalozana sy ny fandaminan’asa iarahan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny mpitondra Malagasy.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana