Dans la mme rubrique

Instat Madagasikara Antontan'isa tamin'ny 2012 no mbola ampiasaina

23/07/2019

Mbola antontanisa tamin'ny taona 2012 no ampiasain'ny INSTAT amin'izao fotoana izao hijerena ny faripiainan'ireo tokantrano Malagasy.

Instat Madagasikara Antontan'isa tamin'ny 2012 no mbola ampiasaina

Hamaky ny tohiny...

Arina fandrehitra eto Antananarivo Niakatra 50% ny vidiny

23/07/2019

Nahitana fiakarany 50% ny vidin'ny arina fandrehitra eto an-drenivohitra tato anatin’ny 2 volana. Tafakatra 23 000 ka hatramin’ny 30 000 Ariary ny vidiny amin’izao fotoana raha manodidina ny 17 000 ka hatramin’ny 20 000 Ar teo aloha.

Arina fandrehitra eto Antananarivo Niakatra 50% ny vidiny

Hamaky ny tohiny...

Taha-bola Taratry ny tanjaky ny toekarena

22/07/2019

Samy manana ny taha-bola na ny “taux de change” mety aminy ny firenena tsirairay arakaraky ny zava-misy ao aminy. Miankina amin’ny toetoetran’ny toekarena any amin’ny firenena no hametrahana ny taha-bola mifandraika amin’izany.

Taha-bola Taratry ny tanjaky ny toekarena

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Fihariana Mahatratra 50 486 ny dosie voaray

22/07/2019

Miisa 50 486 ireo antontan-taratasy voaray eo anivon`ny Antenimieran`ny varotra manerana ny faritra 22 eto Madagasikara mahakasika ny fandaharanasa

Tetikasa Fihariana Mahatratra 50 486 ny dosie voaray

Hamaky ny tohiny...

Tantsaha eto Madagasikara Vitsy no afaka mindram-bola

22/07/2019

Ambany ny tahan’ny tantsaha mahazo fahafahana mindram-bola sy manatona eny anivon’ireny ivontoerana manao fampindramam-bola ireny amin’izao.

Tantsaha eto Madagasikara Vitsy no afaka mindram-bola

Hamaky ny tohiny...

Tantely avy eto Madagasikara Anisan`ny tsara indrindra maneran-tany

18/07/2019

Tafakatra amin’ny dingana famaranana amin`ny « Start-up : Entrepreneur-ship World cup” ny orinasa Ikiray Miel de Madagascar, izay orinasa mpamokatra tantely avy eto amintsika.

Tantely avy eto Madagasikara Anisan`ny tsara indrindra maneran-tany

Hamaky ny tohiny...

Fanondranana lavanila taona 2019 Niakatra 15% ny tombombarotra

17/07/2019

Raha oharina ny taona 2018 dia niakatra 15% ny tombony azo tamin’ny fanondranana lavanila teto Madagasikara tamin’ity fiandohan’ny taona ity.

Fanondranana lavanila taona 2019 Niakatra 15% ny tombombarotra

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Mpikambana ao amin’ny HCJ Mikarama 20 tapitrisa ariary, hoy ny SG-n’ny OSCEC

25/06/2019

Manaitra ny fitondram-panjakana ny fiarahamonim-pirenena amin`ny tsy tokony hisian’ny fanavakavahana na iza na iza amin`ny famotorana rehetra atao eny anivon`ireny rafi-pitsarana samihafa ireny.

 

 

 

 Manao antso avo amin`ny fanjakana ihany koa ny fiarahamonim-pirenena amin`ny tambin-karama azon`ireo tompon’andraikitra eo anivon`ny Fitsarana Ambony (Haute Cour de Justice), izay ahitana mpikambana tompon-toerana 11 araka ny tondroin’ny andininy faha-136 ao amin’ny lalàmpanorenana. Araka ny nambaran`i  Ony Radera, sekretara jeneralin`ny OSCEC, mihoatra ny 20 000 000 Ariary isam-bolana ny karama raisin’ny olona iray ao amin’ny Fitsarana Ambony (HCJ). Ekena fa asa tsy mora izany hoe hitsara manampahefana ambony toa ny filoham-pirenena, praiminisitra sy minisitra…saingy mampieritreritra ihany io tarehimarika io. Ary moa ve azo antoka 100% fa hahavita an-tsakany sy an-davany ny asany ireo mpitsara ao amin’ny HCJ ireo, ka hitsara araka ny lalàna marina. Ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR 2019) no hamaritana izay asa ataon`ny fanjakana. Tsy miteny fotsiny ny fanjakana hoe hiady amin`ny kolikoly fa tsy maintsy hita ao anatin`ny LFR 2019, hoy ity sekretara jeneralin`ny OSCEC ity. Antony hanaovana tatitra voalohany, milaza ny zavatra hitany tamin`ny ady amin`ny kolikoly amin`ny LFR 2019, hoy hatrany i Ony Radera. Inona tokoa no vitany ny HCJ hatreto ? Ny  Sefafi moa dia efa nilaza fa tsara foanana ny fitsarana ambony, hoy indrindra ny nambarany : “Momba ny resaka mikasika ny fanitsiana ny lalàmpanorenana, rariny loatra sady mifanaraka tsara amin’ny demokrasia raha foanana tsotra fotsiny izao ny HCJ. Amin’izay fotoana izay, hitovy lenta amin’ny olom-pirenena tsotra ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena… ary izay no tena rariny !”

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana