Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanadiovana ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka Polisy iray nanao kolikoly nidoboka any am-ponja

24/06/2019

Tsy misy alaharo ny fitondrana mijoro, indrindra ny eo anivo’ny mpitandro filaminana, tahaka ny polisim-pirenena fa any am-ponja avokoa no miandry fitsarana izay nandika lalàna. Ankoatra

 

 

 

ireo polisy voarohirohy tamin’ny herisetra tahaka ny raharaha Ampitatafika sy fakantsarin’ny mpanao gazety teny Mahamasina, polisy iray koa no naiditra am-ponja vonjimaika niaraka tamin’ny mpamily taksibe sy ny mpanampy azy. Taorian’ny fampanoavana ny zoma teo, samy nalefa eny amin’ny toeram-panarenana eny Antanimora avokoa izy ireo mandra-pitsara azy. Voarohirohy tamin’ny resaka kolikoly izy ireo. Ny alahady 15 jona no nitranga ny tantara teo Ankadindratombo, raha nanao fahadisoana ilay mpamily. Nangataka fifandaminana tamin’ilay polisy ireo mpanamory sy ny

mpanampy ka nanolotra vola tamin’ilay mpitandro filaminana. Araka ny vaovaon’ny polisim-pirenena hatrany, tsikaritry ny polisy avy ao amin’ny Inspection générale de police nationale izany na

IGPN izay nijoro tsy lavitra teo. Nanaovana fanadihadiana avy hatrany ity fihetsika kolikoly izay tratra ambodiomby ity ka izao natolotra ny fitsarana ny zoma teo izao. Tsy misy kitranoantrano velively ao

amin’ny polisim-pirenena, arak’izany.

Haja Nirina

Misy polisy manara-maso ireo mpitandro filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana mba hiadiana amin’ny kolikoly.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana