Dans la mme rubrique

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

17/07/2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly fa feno ny fepetra ahafahana mampitondra ny anaran’ny lalana manoloana ny kianjan’Alarobia izay mifanjohy amin’ny lalana Ranaivo Paul sy Andriatsihoarana ho lalana Zafy Albert.

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

Hamaky ny tohiny...

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

17/07/2019

Hankalazaina isaky 18 jolay ny andro ho an’i Mandela na ny « Mandela Day » araka ny fanapahana nataon’ny UNESCO tamin’ny 18 jolay 2009,

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

17/07/2019

Niditra tamin’ny andiany fahefatra tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny fivorian’ireo komity anatiny misahana ny fanajariana ny tetikasa momba ny fanatsarana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina (TatoM).

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

17/07/2019

Hatao tanàna mpirahavavy ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny tanànan’i Jerosalema any Israel, raha araka ny vinavina.

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

Hamaky ny tohiny...

Faha-60 taonan’ny mpandraharaha ny fonja Ho tapaka ny lalana

17/07/2019

Mba hampirindra tsara ny fankalazana ny faha-60 taona niorenan’ny fandraharahana ny fonja malagasy anio dia mampandre ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny

Faha-60 taonan’ny mpandraharaha ny fonja Ho tapaka ny lalana

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Betsiaka sy Ambalan’Anjavy Baranahiny tanteraka ny fitrandrahana volamena

16/07/2019

Anisan’ny faritra sompitry ny volamenan’i Madagasikara ny Kaominina Betsiaka sy Ambalan’Anjavy anatin’ny Distrikan’Ambilobe.

Kaominina Betsiaka sy Ambalan’Anjavy Baranahiny tanteraka ny fitrandrahana volamena

Hamaky ny tohiny...

Gidragidra ara-tany Misy misompatra ny ONG Angela any Miarinarivo

16/07/2019

Nividy ny tany ara-dalàna tany amin’ny tanànan’Andranomena, fokontany Ambohinirina, distrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy ny Fikambanana ANGELA, mpanao asa soa, ny taona 1994, raha ny fanazavana azo.

Gidragidra ara-tany Misy misompatra ny ONG Angela any Miarinarivo

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Masoivoho Alemana Gehrig Harald Handao an’i Madagasikara

21/06/2019

Nahavita ny fe-potoam-piasany teto Madagasikara, ny Ambasadaoron’i Alemaina, Atoa Gehrig Harald mivady, ka tonga nanao veloma ny praiminisitra Ntsay Christian.

 

 

Tsapan’ny firenena Alema ny ezaka lehibe vitan’i Madagasikara amin’izao governemanta vaovao tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian izao, ary mahabe fanantenana ny amin’izany, hoy io diplomaty io. Anisan’ny vokatra notanisainy ny teo amin’ny lafiny tontolo iainana, fitsarana, toekarena. Nohamafisin’ny praiminisitra izany. Notsindrian’ny Ambasadaoro manokana ny ezaka vitan’ny governemanta Malagasy teo amin’ny ady amin’ny famotehana ny ala sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo hazo sarobidy. Momba ny fihaonana nisy teo amin’ireo mpitondra Malagasy sy ny mpitondra Alemana dia nambarany fa velom-panantenana ihany koa ny tenany, ny amin’ny hanamafisana ireo fiaraha-miasa amin’ny ho avy, raha ny lafiny diplaomasia sy toekarena no resahina. Nitondran’ny praiminisitra fanazavana ny fifanakalozana mahakasika ireo ezaka vita hampihenana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny  fitrandrahana ny harem-pirenena.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana