Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanaterana fitaovam-piadiana tsy misy arakaraka Basy 21 sy bala 68 no naterin’ny dahalo avy ao Isandra

21/06/2019

Omaly alakamisy 20 jona no nifarana ny fanaterana basy tsy misy arakaraka ho an’ireo izay mitazona izany tsy ara-dalàna,

raha ny fanentanan’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Raha atotaly hatramin’izao, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena avy eo amin’ny Toby Ratsimandrava, miisa 21 hatreto ny isan'ireo basy naverin'ireo dahalo avy amin'ny distrika Isandra fotsiny, ao amin’ny Faritra Matsiatra-Ambony,  Fianarantsoa. Ny enina dia basy mahery vaika avokoa. Miandry ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana hatrany mikasika ny fitobaky ny fitaovam-piadiana tsy natao ho tanan’ny sivily toy izao. Ny roa dia Mas 36, ny 6 basim-borona. Nahazo vahana ihany koa ny fanefena basy vita gasy satria nahatratra fito, raha ny vaovao ofisialin’ny zandary hatrany. Maro koa ireo bala naterin’ireo jiolahy. Nahatratra 68 ny isany ka ny 65 bala ho an'ny basy mahery vaika  ary 3 ho an'ny MAS 36. Ny fanentanana nataon'ny zandary avy any  an-toerana sy ny miaramila avy ao amin'ny ZRPS Alpha no nahazoana izao vokatra izao.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana