Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Herisetra teny Ampitatafika Nidoboka am-ponja ireo zanaka kaomisera sy olona 2

19/06/2019

Niakatra fitsarana omaly talata 18 jona ilay kaomisera sy ny zanany roa an-daniny ary ireo olona roa an-kilany izay nilaza fa niharan’ny herisetra. Samy nitory teny amin’ny fitsarana sy ny polisy moa izy roa tonta ireo.

 Taorian’ny fanadihadiana natao teo anivon’ny inspection générale de la Police nationale  IGPN sy ny polisin’ny faritany dia natolotra ny fitsarana ny raharaha ka voatazona am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo mirahalahy zanaka kaomisera sy ireo roalahy nilaza fa niharan’ny herisetra. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay kaomisera. Raha tsiahivina, voatonona ho nikasi-tanana sy nandratra olona teny Ampitatafika ny kaomiseran’ny polisy sy ny zanany ny sabotsy alina faran’ny volana mey teo. Efa nanome fanampim-panazavana ny teo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka fa raha vao naharay ny « indro-alefa » na « sois-transmis » avy amin’ny Fitsarana teo Anosy ny tompon’andraikitra teo anivon’ny polisy dia nampiantso avy hatrany ireo mpitory. Taorian’ny fampiantsoana, noraisina am-bavany tao amin’ny polisy IGPN ny fanambaran’ny mpitory sy ny vavolombelona avy amin’izy ireo ny  talata sy alarobia, taorian’io. Taorian’io, natao famotorana tao amin’io sampandraharaha io ihany koa ilay kaomisera sy ireo zanany izay voatonontonona tamin’ity tranga ity.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana