Toekarena
Seha-pihariana lavanila Mamelona Malagasy 200 000
19/06/2019
Hisokatra ny 15 jolay izao ny fiotazana lavanila ho an’ity taona 2019 ity eto Madagasikara.
Mamelona fianakaviana maro satria miisa 2 hetsy eo ho eo ireo misehatra aminy manerana ny nosy. Ankoatra izay, manome 6,8% amin’ny harinkarena faobe izy ary voly fanondrana mitana ny laharana voalohany satria mahatratra 1.550 taonina mahery. Mahasahana ny 25%-n’ny vola ampidirin’ny fanondranana io lalam-pihariana io. Miezaka ny manomana amin’izao fotoana izao ireo mpamboly sy mpanondrana ary ireo rehetra voakasika na amin’ny sehatra tsy miankina na ireo sampandraharaham-panjakana ao amin’ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana. Tanjona ny hiarovana ity seha-pihariana lavanila ity amin’izao taom-piotazana 2019 izao ary hiala amin’ireo fahazaran-dratsy manimba ny vokatra hatramin’izay. Seha-pihariana tena anjakan’ny tsy fanarahan-dalàna marobe mantsy ny lavanila ka mampitaraina ireo mpamboly tena matihanina. Misy fitsipika maro mifehy azy eto Madagasikara izay manomboka eny amin’ny fambolena, mandalo amin’ny fiotazana sy ny fikirakirana hatreny amin’ny fanondranana azy saingy tsy voahaja noho ny fahazaran-dratsin’ireo mpamboly sasany sy mpivarotra. Nanamafy ny avy amin’ny minisiteran’ny fitsarana, izay nandray anjara tamin’ny atrikasa nifanakalozan-kevitra hanatsarana ny seha-pihariana lavanila omaly fa mila mahasahy mijoro vavolombelona sy mitondra porofo ireo izay mahatsikaritra tsy fanarahan-dalana ary handraisana fepetra avy hatrany. Ankoatra ny faritra SAVA izay malaza indrindra amin’ny lavanila dia efa miitatra amin’ny faritra hafa toy ny any Alaotra Mangoro ny fihariana amin’ny lavanila amin’izao.
Tsirinasolo