Dans la mme rubrique

Antananarivo Renivohitra Hisy kandida ben’ny tanàna tsy ampoizina ?

20/08/2019

Amin’ny 29 aogositra izao no hisokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ny kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly ho an’ny fifidianana hatao ny 27 novambra ho avy izao.

Antananarivo Renivohitra Hisy kandida ben’ny tanàna tsy ampoizina ?

Hamaky ny tohiny...

Fampiasam-bolan’ireo kandida filoha Tsy mbola navoakan’ny Komity mpanara-maso ny tatitra

20/08/2019

Takian’ny lalàna fototra 2018-008 momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka ny fangaraharahan’ny kaonty sy ny fampiasam-bola amin’ny fampielezan-kevitra.

Fampiasam-bolan’ireo kandida filoha Tsy mbola navoakan’ny Komity mpanara-maso ny tatitra

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Fa nahoana no tena atahorana mafy ?

20/08/2019

Nanomboka ny taona 2009 no nenjehina fatratra i Marc Ravalomanana ary natahorana mafy ny fidirany teto Madagasikara taorian’ny fanonganam-panjakana.

Marc Ravalomanana Fa nahoana no tena atahorana mafy ?

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Nahena ny isan’ireo vondrona parlemantera

20/08/2019

Nahena ny isan’ny vondrona parlemantera eny amin’ny Antenimieram-pirenena, araka ny fanovana tao anatin’ny fitsipika anatiny nolaniana tamin’ny tsangan-tanana omaly.

Antenimieram-pirenena Nahena ny isan’ireo vondrona parlemantera

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena masoivoho Malagasy Mbola miandry ny fankatoavan’ireo firenena hampiantrano

20/08/2019

Raha manao tohivakana ireo fahatongavan`ireo ambasadaoron`ny firenena vahiny hiasa eto Madagasikara dia mihazohazo hatramin`izao ny fanendrena ambasadaoro Malagasy any ivelany any.

Fanendrena masoivoho Malagasy Mbola miandry ny fankatoavan’ireo firenena hampiantrano

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Ben’ny tanàna Raha lalao madio dia izay safidin’ny vahoaka no handresy

20/08/2019

Nitondra ny heviny mikasika ny fifidianana ho ben’ny tanàna hatao ny 27 novambra ho avy izao, ireo olom-pirenena nanaovana ny fanadihadiana.

Fifidianana Ben’ny tanàna Raha lalao madio dia izay safidin’ny vahoaka no handresy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Ataon’ny fanjakana fitadiavam-bola ?

19/08/2019

Eo anelanelan’ny 600 000Ar hatramin’ny 10 000 000Ar ny antoka ara-bola amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly, araka ny didim-panjakana mitondra ny laharana 2019-1542 navoakan’ny governemanta ny 14 aogositra teo.

Fifidianana ben’ny tanàna Ataon’ny fanjakana fitadiavam-bola ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kimaizimaizin’ny fitondrana Tonga ny fiara “4x4” an-jatony tsy fanta-pihaviana…

19/06/2019

Niala tao Toamasina nihazo ny renivohitra ny alin’ny alahady 16 jona sy ny alatsinainy mangiran-dratsy teo ny fiara tsy mataho-dalana na 4x4 marika Nissan Navara miisa 117 ary misy fiara hafa manodidina ny 20 eo ho eo ihany koa, raha ny loharanom-baovao iray.

 

 

 

 Ny fanjakana Malagasy no nanafatra an’ireo, raha araka ny fantatra ary re fa mety ireo fiara ireo no atolotra ny mpitandro filaminana. Efa natao takelaka mena  avokoa izy ireo, raha ny vaovao azo hatrany. Tsy misy fampitam-baovao ofisialy aloha hatry ny omaly hariva hoe tonga ny fiara fa hatao “surprise” hanapena-maso ny vahoaka sy hakana ny fon’ny manana basy tokoa angamba.  Tsara ary tena ilaina ny fampitaovana ny mpitandro ny filaminana mba hahafahany manatontosa an-tsakany sy an-davany ny asany dia ny hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Na izany aza, dia misy zavatra tsy mangarahara toy ny efa natao tamin’ny fampidirana ireo fiara tsy laitram-bala, ireo angidimby mbola mitondra laharana Afrikanina Tatsimo, fiaramanidina, ity resaka ity… Manodidina ny 35 000 Euros (140 000 000Ar) ny vidin’ny iray amin’ny Nissan Navara, ka raha ireo 117 dia manodidina ny 16 380 000 000 Ar ny vidiny. Tsy voasoratra any anaty tetibolam-panjakana ny fividianana ireo fiara. Vola avy aiza ary ? Raha fanomezana avy amina mpiara-miombon’antoka indray dia inona no tambiny ? Efa nisy ihany mantsy ny tantara be naterak’ireo fiara tsy mataho-dalana miisa 300 an’ny kandida Camille Vital tamin’ny taona 2013 izay tsy nazava tsara ny momba azy fa dia nosarontsaronana fotsiny avy teny .

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana