Dans la mme rubrique

Belo Tsiribihina Voarohirohy ho namono olona indray ny miaramila

19/07/2019

Araka ny loharanom-baovaon’ny fianakavian’ny lasibatra, izay naparitany tamin’ny tambajotran-tserasera, heveriny fa noho ny tondro molotra dia natolotra ny miaramila ny momba an’i Raly Tovony.

Belo Tsiribihina Voarohirohy ho namono olona indray ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Sinto-mahery sy halatra moto Babo ireo mpanendaka amin’ny alina eny Tanjombato

19/07/2019

Voasambotry ny polisin’i Tanjombato ny 16 sy 19 jolay teo noho ny resaka fanendahana amin’ny alina eny amin’iny faritra iny ireo jiolahy efatra.

Sinto-mahery sy halatra moto Babo ireo mpanendaka amin’ny alina eny Tanjombato

Hamaky ny tohiny...

FISAVAN’NY ZANDARIN’ANKADINONDRY Gadra 2 nikasa hanafika fanineniny tamin’ny basy tra-tehaka

19/07/2019

Gadra nitsoaka ny taona 2016 sy tovolahy iray mbola manefa sazy ao Tsiroanomandidy saingy nahazo fahefana miasa aty ivelany no tra-tehaka niaraka tamin’ny basy hanatanteraka fanineniny ny asa ratsin’izy ireo.

FISAVAN’NY ZANDARIN’ANKADINONDRY Gadra 2 nikasa hanafika fanineniny tamin’ny basy tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...

Ambatoboeny Nahazo efitrano sekoly sy paositry ny polisy

19/07/2019

Ny talata lasa teo no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ireo fotodrafitrasa nangatahin’ny mponina tao amin’ny distrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny.

Ambatoboeny Nahazo efitrano sekoly sy paositry ny polisy

Hamaky ny tohiny...

Zandarimariam-pirenena Handray mpianatra ho zandary 1200

19/07/2019

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny Lapan’i Iavoloha ny alarobia 17 jolay lasa teo ny famoahana didim-panjakana momba ny fandraisana mpianatra ho zandary miisa 1200 ho an’ny taona 2019-2020.

Zandarimariam-pirenena Handray mpianatra ho zandary 1200

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny “Mandela Day” Ankizy sahirana sy voafonja 600 nomena fanampiana

19/07/2019

Nankalazaina omaly alakamisy 18 jolay ny « Mandela Day », ahatsiarovana ny daty nahaterahan’i Nelson Mandela niady

Fankalazana ny “Mandela Day” Ankizy sahirana sy voafonja 600 nomena fanampiana

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana , Kidnapping, fandrobana volabe Jiolahy iray voapaingotra teny Tsimbazaza

18/07/2019

Dahalo raindahiny efa kalaza tamina fandrobana lelavola mitentina 30.000.000 ariary sy fanaovana takalon’aina tany Maevatanana ary mpanakan-dalana nampitondra faisana ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha-7 mihazo ny faritra atsimon’i Madagasikara no tra-tehaky ny polisy.

Fanafihana , Kidnapping, fandrobana volabe Jiolahy iray voapaingotra teny Tsimbazaza

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Kaominin’i Toamasina I Nanjavona avokoa ireo antontan-taratasy saropady

17/06/2019

Araka ny angom-baovao teo anivon’ny kaominina izay mbola nohamafisin’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominina Razafimanana Jean Christian, tsy hita popoka ireo antontan-taratasy saropady sy sarobidy eo anivon’ny kaominina tamin’ny fandraisan’izy ireo ny asany avy.

 

 

 Saika taratasy momba tany sy ny mpiasa ary fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka avokoa ireto antontan-taratasy nanjavona ireto. Nanamarina izany raha teo ny zavatra hita nandritra ny fidiran’ny PDS ny birao fiasany niaraka tamin’ny vadintany fa tsy nisy na antontan-taratasy iray aza teo amin’ny latabatry ny ben’ny tanàna naato nandritra ny fidiran’izy ireo tao anatiny, na tao anatin’ireo vata sarihana samy hafa. Tsy hita koa ireo “disque dur” an’ireo solosaina tena miasa ho an’ny kaominina toy ny ny fitehirizana ireo fidiram-bola sy ny famoaham-bola ary ny fitantanam-bolan’ny kaominina eo anivon’ny tale misahana izany. Tsy hita koa ny “disque dur” mitahiry ny momba ny mpiasa sy ny tetikasan’ny kaominina rehetra ary ireo fiaraha-miasan’ny kaominina samy hafa. Raha ny fanadihadiana natao anefa dia tsy mbola nisy fitarainana trano vaky teo amin’ireo mpisahana izany na teo aloha na ankehitriny. Efa mandeha ny fanadihadiana.

 

Rakoutou

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana