Dans la mme rubrique

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...

Fanaovan-gazety

11/07/2019

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ary mampametra-panontaniana hoe mpanao gazety tokoa ve sa tsia no nahavita naka finday

Fanaovan-gazety

Hamaky ny tohiny...

ETAZONIA

05/07/2019

Hijanona ho mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara hatrany i Etazonia araka ny fanambaran’ny masoivohony Michael Pellitier omaly teny Ambaranjana nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Amerikanina.Sehatra iaraha-miasa ny fampianarana, fampandrosoana, ny sosialy ary ny politika.

ETAZONIA

Hamaky ny tohiny...

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

05/07/2019

Tsy vao izao no mamofompofona kolikoly lava ny baolina kitra Kaongoley fa efa nitranga ihany koa izany tamin’ny tompondakan’i Afrika ho an’ny latsaky ny 23 taona ny 24 aprily teo. Tamin’io fotoana io moa dia tena najanona tsy hanohy ny fifaninanana mihitsy izy ireo.

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

Hamaky ny tohiny...

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

03/07/2019

Teo am-pisokirana nify mihitsy ny minisitry ny serasera no azo sary tamin’ny TVM nandritry ny didim-pitsaran’ny HCC nampahafantatra ny depiote lany.

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

Hamaky ny tohiny...

BE VAOVAO

02/07/2019

Nitsidika ireo niharam-boina tamin’ny 26 jona lasa teo teny Mahamasina

BE VAOVAO

Hamaky ny tohiny...

Dian-dRajoelina any Ejipta

02/07/2019

Misy amin’ireo mpitia baolina kitra Malagasy no manahy fa hampireven’ny filoham-pirenena mialoha ny lalao hatrehany

Dian-dRajoelina any Ejipta

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

Kidoro  « éponge » izay miisa 150 no tao ary koa hazo marobe. Nalaky nahazo vahana ny afo noho ireo entana mora mirehitra tao anatiny. Mandra-pahatonga ny mpamonjy voina teny an-toerana dia efa tsy nisy azo navotana intsony ny tao amin’ity trano fitoeran’entana ity. Ny tsy nihanahany tamin’ny birao hafa teo amin’ny manodidina sisa no natao. 

TSY NIREFOTRA NY LAKRIMOZENA

Mba tsy tonga tamin’ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso aloha omaly ny fidirana an-tsehatra nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ireo mpitarika sarety tetsy Anosibe. Nifampiresaka ny roa tonta ary ny tsikaritra dia tsy hain’ireo mpitokona, izay nanapaka ny lalana nanditry ny adiny roa, akory fa tsy fandrarana tanteraka ny asan’izy ireo akory ny lalàna navoakan’ny prefektioran’ny polisy. Nomena sainam-pirenena izy ireo mba entiny mody dia nisokatra indray ny lalana. 

ZAZA 3 HITA TENY ALASORA

Hita teny Alasora ireo zaza telo latsaky ny folo izay efa nametrahana taratasy teny amin’ny polisy noho ny fahaverezany nandritry ny andro maromaro. Olona no nahita azy ireo izay tsy mahita haleha sy horesahina ary nampandre ny mpitandro ny filaminana. Teo no namantarana fa avy any Ambohijanaka no misy azy ireo ary fianakaviana telo samihafa. Nisy ny nobedesin’ny ray aman-dreniny ary nanapa-kevitry ny nitsoaka. 

HAHITA CAN HATRENY AMIN’NY FOKONTANY

Hatramin’ny fokontany na kaominina dia handefa mivantana ny CAN. Na hampifaliana vahoaka aza izany dia tsy maintsy maka fanomezan-dalana manokana avy amin’ny minisitera mpiahy. Ny antony dia satria nandoavana volabe ny vidin’ny fahazoan-dalana handefa ny lalao fifaninanana amin’ny televiziona vahiny.  Tsy misy afa-tsy ny TVM sy ny RNM ihany no afaka mampita mivantana an’izany. 


 

MPIANATR’ANKATSO NANAO VOLA SANDOKA

Mpianatra eny Ankatso miisa roa no nosamborina noho ny fikirakirana vola sandoka. Teny Ambohipo izy ireo no nandeha tamin’ireny « cashpoint » ireny. Nandrotsaka vola izay mitentina maherin’ny iray tapitrisa tao kanefa tsikaritry ny mpitantana ilay toerana tampoka fa vola sandoka no nampiasaina. Niantso polisy ary voasambotra teo ihany ireo. Nanoro ny misy ny mpizara vola aminy izay voasambotra koa. 

MANGALATRA ENTANA NOGIAZANA

Toa zary lasa fanaon’ny mpitandro ny filaminana ankehitriny ny mangalatra na mampiasa ireo entana nogiazana rehefa nosamborina ny tompony. Betsaka ireo fiara nampiasain’ny mpaka an-keriny nalaza tamin’izany fotoana no hita entin’ny mpitandro ny filaminana. Tsy fanarahan-dalàna anefa izany satria azo lazaina fa fanodinana entan’olona ary halatra mihitsy aza, raha tena mihatra ny lalàna famaizana. 

TRATRA NIARAKA TAMIN’NY SIPANY

Tratran’ny tompom-bady tao anaty efitra fandriam-bahiny ny ramatoa iray sy ny sipany. Koa satria olona samy manan-katao moa koa dia tonga hatramin’ny famoahana basy ary saika nifampitifitra. Izany no nitranga tao amin’ny hotely lehibe iray teto an-drenivohitra tamin’ny herinandro lasa teo. Nomena baiko ny mpiasa tao mba tsy hisy hitantara ny zava-niseho satria toa misy akaiky ny olona ambony ny iray amin’ireo lehilahy.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana