Dans la mme rubrique

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

19/07/2019

Omaly no notontosaina ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao Razanamahasoa Christine sy ny teo aloha Jean Max Rakotomamonjy.

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

Hamaky ny tohiny...

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

19/07/2019

Taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny birao maharitra teo aloha sy vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia nikasa hanao tatitra momba ny asa vita na ny fe-potoana farany teo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Max Rakotomamonjy sy ny filoha lefitra faritanin’Atntsiranana Mahazoasy Freddie;

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

19/07/2019

Tsy takatro loatra ny politikan-dry zareo, hoy ny filohan’ny antoko politika Manangana Madagasikara Vaovao (MMV), Arlette Ramaroson, raha nanontaniana ny zava-nitranga teny anivon’ny antenimieram-pirenena tao anatin’izay 3 andro izay.

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

Hamaky ny tohiny...

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

19/07/2019

Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana, ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy,

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

19/07/2019

Nalaza teo fa vitan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea ny fampihavanam-pirenena.

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

Hamaky ny tohiny...

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

19/07/2019

Ny distrikan’Andramasina dia manana anjara toerana amin’ny toekarena. Anisan’ny faritra tena mamokatra ovy, geranium, mananasy, ravintsara ary mpiompy omby ity distrika ity.

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

19/07/2019

Nanatitra ny taratasy fametraham-pialany sy ny governemanta tarihiny teny amin’ny lapan’Iavoloha omaly 18 jolay maraina ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

14/06/2019

Efa miomana hanao fivoriana hiatrehana ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina ny CENI, amin`ny herinandro ambony, aorian`ny famoahana ny vokatra feno tsy ofisialy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

 

 

Tsy mbola fantatra hatreto ny daty hanaovana azy ary andrasana ny 90 andro hiantsoan`ny governemanta ireo mpifidy handatsa-bato. Ny 22 septambra no hifarana ny fe-potoam-piasan`ireo teo aloha. Tranga roa no mety hiseho raha tsy vita aorian`ny 22 septambra ny fifidianana. Voalohany, voalazan`ny lalàna fa raha tsy tanteraka ny fifidianana eny anivon`ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia afaka manendry PDS (President de la Delegation Speciale) ny fanjakana hanao ny asan`ny ben`ny tanàna. Faharoa, azo halavaina ny fe-potoana hiasan`izy ireo. Tsy ny lalàmpanorenana mantsy no mamaritra azy fa ny lalàna. Araka izany, azon`ny fitondram-panjakana atao ny manalava ny fe-potoam-piasan`ny ben`ny tanàna. Ny lalàna velona mamaritra fa “scrutin majoritaire uninominal à un tour” na fifidianana indray mihodina handresen`izay mahazo vato be indrindra no hampiasaina. Ny fifidianana mpanolotsaina kosa dia fifidianana “scrutin de liste à la representation proportionnelle suivant la règle du quotient électoral et la règle du plus fort reste», izany hoe lisitra no fidiana ka arakaraky ny habetsaky ny vato azo no isan’ny mpanolotsaina mahazo toerana, hoy hatrany ny CENI.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana