Dans la męme rubrique

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...

Fanaovan-gazety

11/07/2019

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ary mampametra-panontaniana hoe mpanao gazety tokoa ve sa tsia no nahavita naka finday

Fanaovan-gazety

Hamaky ny tohiny...

ETAZONIA

05/07/2019

Hijanona ho mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara hatrany i Etazonia araka ny fanambaran’ny masoivohony Michael Pellitier omaly teny Ambaranjana nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Amerikanina.Sehatra iaraha-miasa ny fampianarana, fampandrosoana, ny sosialy ary ny politika.

ETAZONIA

Hamaky ny tohiny...

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

05/07/2019

Tsy vao izao no mamofompofona kolikoly lava ny baolina kitra Kaongoley fa efa nitranga ihany koa izany tamin’ny tompondakan’i Afrika ho an’ny latsaky ny 23 taona ny 24 aprily teo. Tamin’io fotoana io moa dia tena najanona tsy hanohy ny fifaninanana mihitsy izy ireo.

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

Hamaky ny tohiny...

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

03/07/2019

Teo am-pisokirana nify mihitsy ny minisitry ny serasera no azo sary tamin’ny TVM nandritry ny didim-pitsaran’ny HCC nampahafantatra ny depiote lany.

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

Hamaky ny tohiny...

BE VAOVAO

02/07/2019

Nitsidika ireo niharam-boina tamin’ny 26 jona lasa teo teny Mahamasina

BE VAOVAO

Hamaky ny tohiny...

Dian-dRajoelina any Ejipta

02/07/2019

Misy amin’ireo mpitia baolina kitra Malagasy no manahy fa hampireven’ny filoham-pirenena mialoha ny lalao hatrehany

Dian-dRajoelina any Ejipta

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

 

 

 

Adiny telo be izao no hanalana ny lalana Ankorondrano mankany Antanimena. Noho ny fanamboaran-dalana no nahatonga ny fitohanana kanefa tsy mba misy ny vahaolana ialana amin'izany fitohanana lavareny izany mihitsy hatreto. Mbola amam-bolana anefa vao ho vita ny fanamboarana raha araka ny fantatra. 

ARTISTA NANOHANA NY FILOHA

 

Raboussa sy Francis Turbo lasa Tale jeneraly. I Dj Gouty lasa Tale. Samy eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina avokoa izy ireo. Izay artista nanohana an’i Andry Rajoelina izany nandritry ny fampielezan-kevitra dia nizarana toerana ambony na niantohana mba hirotsaka ho solombavambahoaka. Mbola endriky ny kiantranoantrano ihany ny zava-mitranga ary izay olona mahafinaritra ny mpitondra izany ny hirany dia nomena toerana. 

IBC HIAKATRA FITSARANA

 

Hiakatra fitsarana amin’ny herinandro ho  avy izao ny raharaha IBC izay notorian’ny fanjakana. Io fahitalavitra tsy miankina io dia nandefa horonantsary mamoafady amin’ny anntoandro. Ny primatiora mihitsy no nandray an-tanana ny fitoriana azy teny amin’ny fampanoavana. Raha ny tsilian-tsofina re dia tsy hovitaina mora ity raharaha ity satria endrika mandrisika ny olona hanao fitondran-tena mamoafady. 

NAPOAKA ILAY VATO BE

 

Izay vao napoaka ilay vato lehibe natahorana hihotsaka etsy amin'ny faritra Tsimbazaza. Andro maro no efa nanaovana ny fanadihadiana momba ity vato ity ary nampiasana teknolojia maro. Betsaka anefa ireo mponina manodidina tsy nety niala tamin'ny trano fonenany na dia voalaza ary fa mampatahotra iny vato iny. Saika nisahotaka ihany ireo mponina manodidina naheno ny fipoahana omaly. 

Nandalo tao amin’ny fampanoavana koa ny raharaha Holijaona Raboana izay mpanolotsaina manokan’ny filoha sady filohan’ny IEM. Io farany dia nitory an’i Mahery Lanto Manandafy noho ny fanalam-baràka azy. Niara-nivahiny tamin’ny fandaharana adihevitra amin’ny fahitalavitra izy ireo ary tamin’ny farany aza dia niara-naka sary mba ho mariky ny finamanana. Kinanjo nivadihan’i Mahery Manandafy ary naparitany tamin’ny facebook ny afera maloton’i Holijaona Raboana. 

MIHOROHORO NY RAY AMAN-DRENY

 

Vao mainka koa mihorohoro ny ray aman-dreny eny Ivato sy ny manodidina. Izany dia vokatry ny fahitana fatin-jaza iray izay very andro vitsivitsy talohan’io. Raha tsiahivina, vao tamin’ny alatsinainy koa no nisy zaza very ary hita faty tao anaty rano teny Ambohibao. Mailo avokoa ny rehetra amin’ny fitsenana ny mpianatra ankehitriny satria raha ny fantatra dia saika tamin’ny firavana tao am-pianarana avokoa no nanomboka tsy hita ireo zaza. 


MPAMILY MITSOAKA

 

Lasa fanaon’ny mpamily nahavanon-doza ny fitsoahana rehefa avy nandona olona toy izay nitranga tetsy Amparibe. Rehefa voadonan’ilay fiara BMW ny moto iray tsy nijanona izy fa nanohy ny lalany, izany hoe nitsoaka. Hita ihany ilay fiara rehefa nokarohina fa kosa efa tsy nisy laharana hamantarana azy intsony na napetraka fotsiny antsisin-dalana. Maty ilay mpitaingina moto izay namela kamboty roa sy mananontena iray.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana