Dans la męme rubrique

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...

Fanaovan-gazety

11/07/2019

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ary mampametra-panontaniana hoe mpanao gazety tokoa ve sa tsia no nahavita naka finday

Fanaovan-gazety

Hamaky ny tohiny...

ETAZONIA

05/07/2019

Hijanona ho mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara hatrany i Etazonia araka ny fanambaran’ny masoivohony Michael Pellitier omaly teny Ambaranjana nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Amerikanina.Sehatra iaraha-miasa ny fampianarana, fampandrosoana, ny sosialy ary ny politika.

ETAZONIA

Hamaky ny tohiny...

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

05/07/2019

Tsy vao izao no mamofompofona kolikoly lava ny baolina kitra Kaongoley fa efa nitranga ihany koa izany tamin’ny tompondakan’i Afrika ho an’ny latsaky ny 23 taona ny 24 aprily teo. Tamin’io fotoana io moa dia tena najanona tsy hanohy ny fifaninanana mihitsy izy ireo.

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

Hamaky ny tohiny...

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

03/07/2019

Teo am-pisokirana nify mihitsy ny minisitry ny serasera no azo sary tamin’ny TVM nandritry ny didim-pitsaran’ny HCC nampahafantatra ny depiote lany.

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

Hamaky ny tohiny...

BE VAOVAO

02/07/2019

Nitsidika ireo niharam-boina tamin’ny 26 jona lasa teo teny Mahamasina

BE VAOVAO

Hamaky ny tohiny...

Dian-dRajoelina any Ejipta

02/07/2019

Misy amin’ireo mpitia baolina kitra Malagasy no manahy fa hampireven’ny filoham-pirenena mialoha ny lalao hatrehany

Dian-dRajoelina any Ejipta

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

 Miezaka manadio tena hatrany ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Tsy efa endrika manambara fa tsy voafehy ny miaramila ve izao ? Raha any amin’ny tany mandroso dia efa tokony hametra-pialàna ny lehiben’izy ireo satria efa tsy henoin’ny olona baikoiny intsony. 

FAMPIASANA ZAZA TSY AMPY TAONA

Misesy ny fitoriana olona mpampiasa an-trano zaza tsy ampy taona. Anisan’ny fitsarana izay nitranga tao Antsirabe omaly ny fisian’ny zaza izay nidoboka am-ponja rehefa nendrikendrehan’ny mpampiasa azy ho nangalatra. Niditra an-tsehatra anefa ny fikambanana iraisam-pirenena maro ary lasa nivadika any amin’ilay mpampiasa ny rihitra. Olana tamin’ity tranga ity ny tsy fahafantaran’ny ray aman-drenin’ilay ankizy akory fa MD ny zanany izay nalefa niasa. 

VONO OLONA

Tsy nanaiky ny mpitarika fiangonana iray avy any Andranovory raha tsy niakatra teto an-drenivohitra ary nampahalala ny lehiben’ny zandary mahakasika ny tranga vono olona iray. Izany dia noho ny fahitana zazavavy 12 taona maty tao anaty saha ary feno ratra ny vatany ary goaka ny fivaviany, toy ny taova nesorina. Mpiasa an-trano izy io ary vitavita mora fotsiny ny raharaha rehefa nanome vola ny mpampiasa taorian’ny fahafatesan’ilay zaza. 


FANASAZIANA SARETY

Efa  herinandro izay dia tsikaritra fa tena mihatra ny fanasaziana ireo sarety tsy manara-dalàna eto an-drenivohitra. Am-polony ireo sarety notazonin'ny polisy etsy Anosy amin'ny andro atoandro noho ny tsy fanajana ora. Mbola hihamafy hatrany io sazy io ho an'ireo sarety izay minia tsy manaraka ny fandaminana raha ny fanazavan’ny CUA. 

 

SAZY FANAIRANA IREO TAKSIBE

Tsy afaka miasa mandritry ny telo andro. Izay aloha ny sazy fanairana natao tamin’ny taksibe am-polony tsy nanara-dalàna. Zotra D 17 izy ireo ary tsy afaka miasa miaraka amin’ny fiara ny mpamiliny sy ny mpanampy. Nisy koa ireo izay miisa 32 nosintomina ny « licence » ary tsy afa-mihetsika mandritry ny 10 andro. Ao anatin’ity hetsika ity ihany dia nisy fiara fitaterana efatra izay tsy navela hiasa intsony ary nosintonina hatramin’ny « permis » an’ny mpamiliny. Arahi-maso tanteraka ny zotra D ankehitriny. 

FITSINDRONANA HEROINE

Mivaona tanteraka ny ankamaroan’ny tanora ao Toamasina noho ny fitsindronana « héroïne ». Soa fa mba sarona ny mpanaparitaka an’izany ao an-toerana ary nidoboka am-ponja. Nino ny anarany ary ato ho ato ny fitsarana azy raha araka ny vaovao avy any an-toerana. Lasa jiolahy ireo zatovo noho ny tsy fananana vola kanefa mila mitsindrona isan’andro. Mitohy hatrany ny fikarohana izay mety ho naman’i Nino. 

TSY MBOLA HITA POPOKA ILAY MPAMILY

Hatramin’izao dia tsy hita izay nanjavonan’ilay taksibe nahafaty olona maromaro tetsy amin’ny Bypass. Tsy misy koa ny fitoriana izay mipetraka satria mbola samy repotra ao anatin’ny fikarakarana ny fandevenana ny havan’ny maty. Mora loatra ho an’ny mpamily mamo sy mahafaty olona ny mitsoaka amin’ny alina ary tsy hahitana taratra akory izay momba azy ireo. Mila hamafisina ny fanaraha-maso ny fiara mivezivezy eto amintsika.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana