Dans la mme rubrique

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

23/07/2019

«Bevohoka ilay zazavavy 14 taona, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpanolana». Io no vaovao ofisialin’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fanolanana nitranga tao Manjakandriana.

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

23/07/2019

Fiara lehibe iray no nanitsaka zazavavy kely roa taona teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 11 + 800 ny 18 jolay sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana.

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

23/07/2019

Tanora kaomorianina mpandranto fianarana no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tamin’ny fikasana hanao trafikana zavamahadomelina vokatra eto Madagasikara hamatsiany ny olompirenena any amin’izy ireo.

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

23/07/2019

Mitohy ny fanatonan’ny tafika Malagasy ny mponina ho fampandriana ny fahalemana na an-dalam-piovana aza ny governemanta.

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

Hamaky ny tohiny...

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

22/07/2019

Voafonja sy mpandraharaha ny fonja iray avy naratra nandritra ny ora roa mahery, noho ny poa-basy sy tora-bato tao Ambalatavoahangy.

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

Hamaky ny tohiny...

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

22/07/2019

Manahy fandorana niniana natao tamin’ilay fahamaizan’ny tsena “Esplanade” ambany ao Bazary kely ireo mpivarotra ankehitriny.

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

22/07/2019

Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatolampy ny raharaha mahakasika ilay fiara tapaka hisatra nahafaty olona roa avy namonjy lanonam-panambadiana.

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tatitry ny loza pentekosta Olona 3 maty, 2 zazarano ary 205 nandalo vonjy aina

12/06/2019

Telo no maty nandritra ny fetin’ny pentekosta raha ny tatitry ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka, ny CPP Albert Estel Ainanirina, omaly antoandro.

 

 

 

 

 Ny roa vokatry ny lozam-pifamoivoizana nodomina fiara roa samihafa izay nitsoaka avokoa. Ny fanintelony  kosa dia vehivavy iray 49 taona, teny Besarety izay hita faty ny faran’ny herinandro teo. Zazarano roa koa no hita izay vokatry ny fanalan-jaza. Araka ny fampitam-baovao teo anivon’ny HJRA Ampefiloha, omaly antoandro ihany, nihena ny isan’ny maty sy naratra ary ny naiditra hopitaly raha mitaha tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 27 ireo nanao fizaham-pahasalamana. Ny nandalo tao amin’ny vonjy aina kosa nisy 205 ka ny 36 tamin’ireo voatery notazomina ary nisy ny nandalo fandidiana. Roa no maty. 67 loza vokatry ny disadisa teo anivon’ny fiarahamonina. 43 voadonan’ny lozam-pifamoivoizana. Ny trangana loza tany an-tokantrano kosa nananika ny 31 ary 4 ny loza noho ny asa. Nahitana trangana loza 17 teny an-dalambe. Efatra no voapoizina noho ny fibobohana zava-pisotro mahamamo. Nahitana karazana halatra ihany koa nandritra ny fety, araka ny vaovao ofisialin’ny polisy, tahaka ny vaky trano 1, sinto mahery 8, halatra môtô 2.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana