Dans la mme rubrique

Instat Madagasikara Antontan'isa tamin'ny 2012 no mbola ampiasaina

23/07/2019

Mbola antontanisa tamin'ny taona 2012 no ampiasain'ny INSTAT amin'izao fotoana izao hijerena ny faripiainan'ireo tokantrano Malagasy.

Instat Madagasikara Antontan'isa tamin'ny 2012 no mbola ampiasaina

Hamaky ny tohiny...

Arina fandrehitra eto Antananarivo Niakatra 50% ny vidiny

23/07/2019

Nahitana fiakarany 50% ny vidin'ny arina fandrehitra eto an-drenivohitra tato anatin’ny 2 volana. Tafakatra 23 000 ka hatramin’ny 30 000 Ariary ny vidiny amin’izao fotoana raha manodidina ny 17 000 ka hatramin’ny 20 000 Ar teo aloha.

Arina fandrehitra eto Antananarivo Niakatra 50% ny vidiny

Hamaky ny tohiny...

Taha-bola Taratry ny tanjaky ny toekarena

22/07/2019

Samy manana ny taha-bola na ny “taux de change” mety aminy ny firenena tsirairay arakaraky ny zava-misy ao aminy. Miankina amin’ny toetoetran’ny toekarena any amin’ny firenena no hametrahana ny taha-bola mifandraika amin’izany.

Taha-bola Taratry ny tanjaky ny toekarena

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Fihariana Mahatratra 50 486 ny dosie voaray

22/07/2019

Miisa 50 486 ireo antontan-taratasy voaray eo anivon`ny Antenimieran`ny varotra manerana ny faritra 22 eto Madagasikara mahakasika ny fandaharanasa

Tetikasa Fihariana Mahatratra 50 486 ny dosie voaray

Hamaky ny tohiny...

Tantsaha eto Madagasikara Vitsy no afaka mindram-bola

22/07/2019

Ambany ny tahan’ny tantsaha mahazo fahafahana mindram-bola sy manatona eny anivon’ireny ivontoerana manao fampindramam-bola ireny amin’izao.

Tantsaha eto Madagasikara Vitsy no afaka mindram-bola

Hamaky ny tohiny...

Tantely avy eto Madagasikara Anisan`ny tsara indrindra maneran-tany

18/07/2019

Tafakatra amin’ny dingana famaranana amin`ny « Start-up : Entrepreneur-ship World cup” ny orinasa Ikiray Miel de Madagascar, izay orinasa mpamokatra tantely avy eto amintsika.

Tantely avy eto Madagasikara Anisan`ny tsara indrindra maneran-tany

Hamaky ny tohiny...

Fanondranana lavanila taona 2019 Niakatra 15% ny tombombarotra

17/07/2019

Raha oharina ny taona 2018 dia niakatra 15% ny tombony azo tamin’ny fanondranana lavanila teto Madagasikara tamin’ity fiandohan’ny taona ity.

Fanondranana lavanila taona 2019 Niakatra 15% ny tombombarotra

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Toekarena Indianina Lasa lavitra na dia maro aza ny sehatra tsy ara-dalàna

12/06/2019

Lany ho praiminisitr’i India indray i Narendra Modi taorian’ny fifidianana ho solombavambahoaka natao tany an-toerana ny volana mey lasa teo tamin’ny alalan’ny antokony izay nahazo toerana betsaka indrindra tao amin’ny kongresy.

 

 

Efa nampoizina ihany ity vokatra ity araka ny voalazan’ny mpandinika satria nanova zavatra betsaka teo amin’ny toekarena indianina i Modi ary maniry ny hitohizan’izany ireo mpanara-dia azy. Tamin’ny taona 2014  tamin’ny nandraisany ny fitondrana dia nampiharina tany India ny « digitalisation » mba hanamorana ny fikarakarana taratasy (processus administratif) izay tena mandany fotoana an’ireo mpandraharaha. Tsy izay ihany fa tamin’ny taona 2016 ihany koa dia napetraka ny « démonétisation »  na ny tsy fampiasana vola ho ady amin’ny kolikoly. Anisan’ny  fanovana lehibe indrindra nentin’i Narendra ny namoronana ny GST izay  nampitombo be ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana satria ao daholo no atao ny fandoavana hetra rehetra ary tsy misy afaka manova na manena mihitsy ny sandan-ketra  tokony haloa eo anivon’ny orinasa. Na eo ary izany ezaka rehetra izany dia mbola manjaka any India ny sehatra tsy ara-dalàna. Ny 99%-n’ny orinasa any an-toerana dia voasokajy ho madinika avokoa. Tsy mamokatra firy izy ireo ary tsy afaka manome karama araka ny tokony ho izy ho an’ireo mpiasa. Mampandringa ny toekarena izany ary ilaina ezaka amin’ny fitondrana vaovao any. Efa firenena afaka anefa i India amin’ny lafiny toekarena ary tena lasa lavitra be mihoatra amin’i Madagasikara. Mifaninana mihitsy amin’ny mpandraharaha sinoa izy ireo eto amin’ny firenena ary miezaka mametraka ny fahaiza-manaony

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana