Dans la mme rubrique

Fanaterana fitaovam-piadiana tsy misy arakaraka Basy 21 sy bala 68 no naterin’ny dahalo avy ao Isandra

21/06/2019

Omaly alakamisy 20 jona no nifarana ny fanaterana basy tsy misy arakaraka ho an’ireo izay mitazona izany tsy ara-dalàna,

Fanaterana fitaovam-piadiana tsy misy arakaraka Basy 21 sy bala 68 no naterin’ny dahalo avy ao Isandra

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Ankazobe Mpianatry ny LTP Ankazondandy 1 maty, 11 naratra

21/06/2019

Mpianatra 1 no maty ary mpandeha 11 avy tao amin’ny lycée technique professionnel na LTP Ankazondandy no niharan'ny lozam-pifamoivoizana afaka an’Ankazobe.

Lozam-pifamoivoizana teny Ankazobe Mpianatry ny LTP Ankazondandy 1 maty, 11 naratra

Hamaky ny tohiny...

Afera varotra merkiora Any am-ponja ilay mpisoloky 250 tapitrisa Ar hanaovana sorona

21/06/2019

Naiditra am-ponja vonjimaika afak’omaly ny vehivavy iray nisoloky 250 tapitrisa ariary mahery nisandohany hamoahana merkiora,

Afera varotra merkiora Any am-ponja ilay mpisoloky 250 tapitrisa Ar hanaovana sorona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha nahafaty an’i Ny Avo Ambohibao Ramatoa 65 taona no voarohirohy nahavanon-doza

21/06/2019

Tohin'ilay fahaverezan-jaza iray tao Morondava, Ambohibao kaominina Antehiroka ka efa vatana mangatsiaka vao hita dia voasambotry ny zandary avy ao amin'ny

Raharaha nahafaty an’i Ny Avo Ambohibao Ramatoa 65 taona no voarohirohy nahavanon-doza

Hamaky ny tohiny...

“Auto-tamponneuse” nampidi-doza Zaza 5 taona main’ny herinaratra

20/06/2019

Ny takarivan’ny alahady lasa teo, tovolahy kely iray vao 5 taona monja niaraka nilalao tamin’ny zokiny no tra-doza teo am-pilalaovana “auto-tamponneuse” eo anoloan’ny lapan’ny tanàna Toamasina. Nihinjitra ny vatany, araka ny angom-baovao azo.

“Auto-tamponneuse” nampidi-doza Zaza 5 taona main’ny herinaratra

Hamaky ny tohiny...

Fiantsonan’ny taksibrosy Andohatapenaka Nadoboka eny Tsiafahy ilay mpanendaka mpanindrona antsy

20/06/2019

Taorian’ny fampiakarana fampanoavana ny alakamisy heriny, naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny mpanao sintomahery iray mampiasa antsy lava hampihorohoroana ireo endahiny.

Fiantsonan’ny taksibrosy Andohatapenaka Nadoboka eny Tsiafahy ilay mpanendaka mpanindrona antsy

Hamaky ny tohiny...

Antsakaviro sy Ankorahotra Mpanendaka enina no tratra teo am-perinasa

20/06/2019

Tovolahy miisa enina no voasambotry ny sampandraharahan’ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahaefatra sy ny polisin’ny boriborintany fahatelo teny amin’ny faritra Antsakaviro sy Ankorahotra.

Antsakaviro sy Ankorahotra Mpanendaka enina no tratra teo am-perinasa

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana By-Pass Mbola karohina ilay mpamily taksibe nahafaty olona 3

11/06/2019

Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana izay nanatanteraka ny fijerena ifotony ny lozam-piarakodia ny faran’ny herinandro teo, tsy mbola hita izay nanjavonan’ilay mpitondra fiara fitanterana hatramin’izao.

 

 

Tsahivina fa noho ny fandehanana mafy nataon’ny fiara mpitatitra eo amin’ny kaoperativa koloina, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tamin’ny lalana By-pass izay mampitohy an’ny Fasika Ankadimbahoaka mihazo an’Ambohimangakely, ny zoma hariva teo. Olona 3 no maty ary 19 no naratra mafy. Nofaohan’ilay fiara mpitatitra amin’ny zotra E ny mpanamory môtô iray. Avy eo fiara madinika nijanona tamin’ny sisin-dalana indray ka nahavoadona mafy ny renim-pianakaviana sy ny zanany 10 taona latsaka. Samy tsy nisy avotra ny ain’ireo telo ireo. Nivarina tany an-kady no niafaran’ilay fiara mpitatitra marika «Sprinter» avy eo ka nandratra ny ankamaroan’ireo mpandeha. Nentina teo amin’ny vonjy aina teo amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha avy hatrany ireo naratra ireo. Araka nyfampitam-baovao azo hatrany, nitsoaka ilay mpamily nahavanon-doza ary mbola karohina.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana