Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Telolahy hita faty tao Ampitatafika Miaramila 27 nadoboka eny Tsiafahy

11/06/2019

Naiditra am-ponja avokoa ireo miaramila 27 fa tsy araka ny feo nandeha raha ny fanamafisana avy amin’ny mpitandro filaminana. “27 fa tsy folo izany no naiditra eny Tsiafahy.

 

 Vaovao tsy marina io milaza fa 10 ihany no nadoboka eny am-ponja fa ity 27 izay lazaiko anao ity no vaovao marina”, hoy ny zandary iray anisan’ny nanatanteraka ny famotorana, raha nitafa mivantana tamin’ny mpanao gazetinay. Efa vita ny famotorana ny fianakavian’ireo telolahy izay hita faty teny amin’ny reniranon’ny Onive Ampitatafika. Vokatry ny fanadihadian’ny zandary no nahalalana fa miaramilan’ny RFI no nisambotra azy ireo tany Ambohimahasoa, ny alakamisy 21 mey teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana, nanatanteraka fampandrian-tany tany an-toerana ireo miaramila ireo. Nahazo “renseignement” ireto farany fa jiolahy ikoizana eny amin’ny faritra Ambohimahasoa ireo telolahy ireo. Tsy nisy taratasy fitoriana sy tsy nahitana vavolombelona anefa fa noho io fitsikilovam-baovao na renseignement io fotsiny dia notanan’ireo miaramila izy ireo. Rehefa nosamborina anefa tsy natolony ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana tany an-toerana, tahaka ny zandary na ny polisy fa nofatorany tao anaty fiara nanomboka ny 21 mey ka hatramin’ny 30 mey teo. Io alakamisy 30 mey io no tapitra ny iraka fampandrian-tany tany an-toerana notanterahin’izy ireo, ary nentiny niakatra nihazo an’Antananarivo. Voafatotra koa ny vozony ka maty izy ireo ary natsipin’ireo miaramila tao amin’ny reniranon’Ampitatafika, RN7. Nandritra ny famotorana no nahalalana fa miaramila 27 no voarohirohy. 28 izy ireo mantsy no nanatanteraka ny iraka tany Ambohimahasoa fa ny iray izay mpamily fiara tsy teo an-toerana fa mbola nanao “mission” ka ireo 27 io ireo no voapanga tamin’ity raharaha vono olona telo izay hita faty ity. Ny zoma hariva teo no niakatra fampanoavana teo amin’ny fitsarana Anosy ary ny sabotsy 8 jona tamin’ny 1 ora maraina no naiditra am-ponja vonjimaika teny Tsiafahy. Noho ny fiahiahiana ny kolikoly izay manjaka, niditra fitsaram-bahoaka hatramin’ny miaramila.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana