Dans la mme rubrique

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

23/07/2019

«Bevohoka ilay zazavavy 14 taona, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpanolana». Io no vaovao ofisialin’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fanolanana nitranga tao Manjakandriana.

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

23/07/2019

Fiara lehibe iray no nanitsaka zazavavy kely roa taona teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 11 + 800 ny 18 jolay sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana.

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

23/07/2019

Tanora kaomorianina mpandranto fianarana no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tamin’ny fikasana hanao trafikana zavamahadomelina vokatra eto Madagasikara hamatsiany ny olompirenena any amin’izy ireo.

Seranan-tsambon’i Mahajanga Tra-tehaka ny rongony 16,5 kg saika alefa any Kaomoro

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

23/07/2019

Mitohy ny fanatonan’ny tafika Malagasy ny mponina ho fampandriana ny fahalemana na an-dalam-piovana aza ny governemanta.

Mpitandro filaminana Mitohy ny ezaka midina ifotony

Hamaky ny tohiny...

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

22/07/2019

Voafonja sy mpandraharaha ny fonja iray avy naratra nandritra ny ora roa mahery, noho ny poa-basy sy tora-bato tao Ambalatavoahangy.

Gadra nikomy Nikorontana ny fonjan'Ambalatavoahangy

Hamaky ny tohiny...

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

22/07/2019

Manahy fandorana niniana natao tamin’ilay fahamaizan’ny tsena “Esplanade” ambany ao Bazary kely ireo mpivarotra ankehitriny.

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

22/07/2019

Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatolampy ny raharaha mahakasika ilay fiara tapaka hisatra nahafaty olona roa avy namonjy lanonam-panambadiana.

Fiara tapaka hisatra nanitsaka olona Vehivavy iray sy ny zafikeliny maty tany Ambohimandroso

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Turkish Airlines Cargo «Tsy mitombina fa saika nipoaka ny fiaramanidina Airbus 330»

07/06/2019

Araka ny vaovao nampintain’ny tompon’andraikitry ny kaompaniam-pitaterana Turkish Airlines Cargo, tsy nisy fipoahana ny zotra ana habakabaka ny alahady heriny tamin’ny 10 ora latsaka fahefany atoandro teo, teny Ivato.

 

 

 

 “Nisy ny tsy fahatomombanana ka voatery najanona ny sidina ary mbola ao ilay fiaramanidina amin’izao. Raha iny nandeha hiainga iny ny roplanina mpitondra entana dia ren’ny mpanamory fa nisy karazana piesy nikorontana ka nampiasa hisatra tampoka izy hijanonan’io fiaramanidina io. Ny fifampikasohan’ny kodiarana tamin’ny lalana vita tara no niteraka setroka fotsy izay endrika setroka “normal” fahita tahaka ny fiaramanidina rehefa hipetraka amin’ny tany. Mpanamory telo sy teknisianina iray no tao anatiny ary “load master” 1 ka azo antoka fa tsy hampisahotaka olona izany. Zotra “normal” amin’ny tranga toy izao ny fanamarinan’ny  tompon’andraikitra isan’ambaratongany miasa eny amin’ ny seranam-piaramanidina ka tsy nahitana firehetana na fipoahana velively. Ny alatsinainin’io ihany dia tonga ny teknisianina nohafarana avy any Torkia, rehefa nojerena dia piesy no simba tao ka efa ho avy ato ato ny solony”, hoy ny tompon’andraikitra iray izay nanazava ny zava-nisy marina. Tsy mitombina noho izany ny vaovao navoaka ny talata 28 mey 2019 teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana laharana faha-2950 fa nivoahana afo narahina setroka mainty tsy nifankahitana nivoaka avy tao amin’ny faritra an-kavia ary narahina fipoahana tamin’io rôplanina io. Tsy loza goavana araka ny loharanom-baovao azo tany aloha izany no nisy fa tranga tahaka ny rehetra ihany ary tsy niteraka savorovoro. Tsy nisy velively ny feo mandeha fa misy tranga fampihorohoroana teny Ivato satria tsy nisy sidina iraisam-pirenena niainga tamin’ny ora nitrangan’iny olana iny ka tsy nisy mpandeha na dia iray aza tao amin’ny trano fiondranana. Nilaza ny tompon’andraikitra fa tsy nisy fiantraikany amin’ny zotra efa ataon’ny kaompania iny tranga iny.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana