Dans la męme rubrique

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...

Fanaovan-gazety

11/07/2019

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ary mampametra-panontaniana hoe mpanao gazety tokoa ve sa tsia no nahavita naka finday

Fanaovan-gazety

Hamaky ny tohiny...

ETAZONIA

05/07/2019

Hijanona ho mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara hatrany i Etazonia araka ny fanambaran’ny masoivohony Michael Pellitier omaly teny Ambaranjana nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Amerikanina.Sehatra iaraha-miasa ny fampianarana, fampandrosoana, ny sosialy ary ny politika.

ETAZONIA

Hamaky ny tohiny...

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

05/07/2019

Tsy vao izao no mamofompofona kolikoly lava ny baolina kitra Kaongoley fa efa nitranga ihany koa izany tamin’ny tompondakan’i Afrika ho an’ny latsaky ny 23 taona ny 24 aprily teo. Tamin’io fotoana io moa dia tena najanona tsy hanohy ny fifaninanana mihitsy izy ireo.

KOLIKOLY AMIN’NY BALNA KITRA

Hamaky ny tohiny...

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

03/07/2019

Teo am-pisokirana nify mihitsy ny minisitry ny serasera no azo sary tamin’ny TVM nandritry ny didim-pitsaran’ny HCC nampahafantatra ny depiote lany.

AZO SARY NISIKOTRA NIFY

Hamaky ny tohiny...

BE VAOVAO

02/07/2019

Nitsidika ireo niharam-boina tamin’ny 26 jona lasa teo teny Mahamasina

BE VAOVAO

Hamaky ny tohiny...

Dian-dRajoelina any Ejipta

02/07/2019

Misy amin’ireo mpitia baolina kitra Malagasy no manahy fa hampireven’ny filoham-pirenena mialoha ny lalao hatrehany

Dian-dRajoelina any Ejipta

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

07/06/2019

Nasaina nohanina velona ilay akoho. Izay no fitsaram-bahoaka nahazo ny tovolahy iray tetsy Andraisoro omaly.

 

 

 Izy io dia voasambotra rehefa tratra ambodiomby nangalatra ilay biby fiompy. Mba tsy nikasi-tànana ny olona fa kosa tsy nanaiky raha tsy laniny ilay akoho velona. Tsy afa-nanoatra ilay olon-dratsy mba ho fiarovana ny ainy. 


ZANDARY 36 NIDOBOKA AM-PONJA

 

Tafiakatra 36 ny zandary efa nidoboka am-ponja tao anatin’ny enim-bolana. Izy ireo dia na nandray anjara mivantana tamin’ny asan-jiolahy na koa nanao fanararaotam-pahefana. Ny sasany kosa dia nanao kolikoly ary notorian’ny olona nony avy eo. Nanao tatitra momba izany ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria. Ny tsikaritra dia samy miaro ny rambony tsy ho tapaka ny minisitry ny mpitandro ny filaminana raha vao nitranga ny raharaha Ampitatafika. 

RESAKA TONDRO MOLOTRA

 

Tondro molotra fotsiny dia nosamborina ary nofatorana tady ny sefo fokontany tao Nosiarina, tanàna iray ao Sambava. Nampangaina fa niray tsikombakomba tamin’ny olona iray nitory noho ny fangalarana ny taninyizy io. Tonga tokoa ny mpitandro ny filaminana nisambotra ilay olona nefa tsy hita ny nanjavonany. Nifatratra tany amin’ny sefo fokontany indray ny rihitra nony avy eo. Voatery niditra an-tsehatra ny olobe sy ny tangalamena vao nilamina ny raharaha. 

HOSOKA TAMIN’NY FIFIDIANANA


Kandidà miisa dimy no tsy manaiky ny vokatra havoakan’ny CENI na dia mbola vonjimaika aza. Samy ao amin’ny boriborintany fahefatra izy ireo ary niray feo tamin’ny alalan’ny fanambarana iombonana, ny amin’ny fisian’ny hosoka sy ny kolikoly tamin’ny fifidianana farany teo. Milaza fa manana porofo izy ireo ary tsy hanaiky ny zava-nitranga. 

MPAMPIANATRA FRAM ANY AMBOASARY ATSIMO

 

Misintona ny lakolosy fanairana ny mpampianatra FRAM any Amboasary Atsimo. Nilaza izy ireo fa efa hatramin’ny volana desambra tamin’ny taon-dasa no nandray karama farany ary misy amin’izy ireo koa no efa folo taona tsy lasa mpiasam-panjakana raikitra ihany. Lasa asa soa ny fampianarana any amin’iny faritra iny. Mandrahona ny hitokona izy ireo. 
# Tafiditra ao anatin’ny « grillage » izay fiarovana ny zaridaina eo Analakely ireo zaza sy tanora tsy manan-kialofana. Mila mijery maika izany ny kaominina satria efa maimbo valan-drano sahady ilay toerana no lasa toerana fiadivan’izy ireo. Manimba endrika tanteraka ny tanàna ny zava-miseho ary mila jeren’ny tompon’andraikitra haingana.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana